Toe-karena

« N4G Paris 2025 »: Nohamafisina ny tanjona fahavitantena ara-tsakafo

Atao any Paris ny fivoriambe iraisam-pirenena ma­hakasika ny fahavitantena ara-tsakafo. Lohahe­vitra noraisina ny hoe « Tran­dra­hina ny paikady mahomby hanatsarana ny sakafo: mandray anjara daholo ny mpisehatra voakasika rehetra, amin’ ny alalan’ny traikefa samihafa ananan’ny firenena tsirairay ». Nohaza­vain’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Faha­vintantena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’ny Avo, fa laharam-pahamehan’i Mada­gasikara ny […]

Vaovao tambatra

Manampy ilay orinasa iray efa miasa ny Colas, manamboatra ny ampahan-dalana any Ampa­simadinika, amin’ny lalam-pirenena faha-2. Avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny vola amin’ny ampahany iray, ary avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (Fonds routier) ny famatsiam-bola faharoa. Ireo toerana tena ratsy, toy ny eo amin’ny PK130, no tena henjehana. Hamokatra […]

Olan’ny famokaran’ny indostria: Tokony hatsangana ny kaomity mpitantana ny sahandriaka

Miantoka ny fampandrosoan’ny toekarena sy ny famokaran’ny orinasa ny rano. Ankehitriny, mihena ny vokatra noho ny tsy fahampian-drano. Omaly, nikaondoha tetsy amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA), ireo mpisehatra nifandinika sy nifanakalo hevitra ary nandroso vahaolana momba izany. Nivoitra tao anatin’izany ny hananganana ny kaomity mitantana ny […]

GIZ-Tosika Angovo: Fampisitrahana herinaratra any ambanivohitra

Mpiara-miombon’antoka manan-danja amin’ny famatsiana herinaratra any ambanivohitra ny Vondrona eoropeanina sy Alemaina. Tanteraka izany amin’ny alalan’ny hetsika Tosika Angovo, tohanan’ny Fiaraha-miasa alemà GIZ. Manohana mivantana amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina ny Vondrona eoropeana sy Alemaina, amin’ny alalan’ny Fiaraha-miasa alemà GIZ. Voakasik’izany ny famatsiana herinaratra any ambanivohitra. Misy ny he­tsika […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 110 tapitrisa dolara ny vola vatsian’ny Banky iraisam-pirenena hanavaozana ny fotodrafitrasam-pitaterana eto Madagasikara. Voakasik’ izany ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Mahajanga, ny fanavaozana ireo seranam-piaramanidina tantanin’ny Adema. Eo koa ny famatsiam-bola hanohanana an’i Madagascar Airlines sy ny vina hametrahana ny lalam-by vaovao mampitohy an’i Toamasina sy Antana­narivo. Hitarika sy hanao […]