Toe-karena

« GMW 2025 » : Fanabeazana ara-bola mandritra ny herinandro

Hankalazaina nanomboka ny 10 hatramin’ny 23 marsa ny Herinandron’ny vola na “Global Money Week (GMW)”. Lohahevitra noraisina ny « Aza manaraka ambokony, ampiasao am-pahendrena ny volanao ». Misy ny hetsika manokana, « Salon GMW 2025 », atao etsy amin’ny tokotany malalaka Ha­voria Anosy, ny 19 hatramin’ny 21 marsa. Mikarakara azy ny Banky foiben’i Madaga­sikara […]

VAOVAO TAMBATRA

Vonona hamatsy vola hanarenana ny tetezan’Ifasy sy Mahavavy (RN6) ny Banky iraisam-pirenena. Eo am-pandinihana ny fomba hanatanterahana azy, miaraka amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny Antokondraharaha misahana ny lalana (Agence routière), ny orinasa Colas ary ny Banky iraisam-pirenena. Anisan’ireo firenena telo ho fitaratra i Madagasikara amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. […]

Fitantanana trosa: Paikady vaovao ho an’i Madagasikara

Voalaza nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena faha-14 ny Firenena mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana, (Cnuced), momba ny fitantanana ny trosa ireo paikady vaovao apetrak’i Madagasikara. Nitondra fanazavana mahakasika izany ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarin­irinarison Rindra Hasimbelo. Misy, hoy izy, ny rafitra handrindrana ny trosam-panjakana (dette publique) […]

Espace Jeune Entrepreneur (EJE): Hampahafantatra ireo paikady amin’ny fandraharahana

Hamaritra ny hoavin’ny fandraharahana ireo paikady mifanaraka amin’ny fanabeazana ara-bola. Io ny lohahevitry ny hetsika « Espace jeune entrepreneur (EJE) » andiany faha-13 amin’ity taona ity. Miantoka ny fampanana asa maharitra ny sehatry ny fandraharahana. Antony hametrahana ireo paikady mahomby rehetra ho ivon’ny hetsika “Espace jeune entrepreneur (EJE)”, andiany faha-13, ny 21 […]