Naneho hevitra ny profesora Rajaonson Hugues, mpahay toekarena sady mpampianatra mpikaroka. Nasiany teny ny mahakasika ny hetra alain’ ny fanjakana amin’ny orinasa tsy miankina. Aminy ny hetra, ankehitriny, dia mamono ny orinasa, ny asa, ny vahoaka ary ny firenena. Antony, be loatra ny karazan-ketra alaina. Vokany, tsy afaka mivoatra ny […]
Toe-karena
Fanarenana ny RN5: Hamatsy vola 35 tapitrisa dolara ny Badea
Mitentina 35 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola natokana ho an’ny fanarenana ny ampahany amin’ny lalana mampitohy an’i Vahibe sy Mananara Avaratra. Hanohana an’i Madagasikara, amin’izany, ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena aty Afrika (Badea). Tonga eto Madagasikara ny delegasionan’ity banky ity, ka nidinika tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, Dr Rafefimanana […]
FAD-17 : 500 000 dolara ny fandraisana anjaran’i Madagasikara
Mandray anjara amin’ny fanamafisana ny Tahirim-bola afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Fad) i Madagasikara. Mitentina 500 000 dolara ny anjaran’ny firenena malagasy ao anatin’ity rafitra andiany faha-17 ity. Anisan’ireo sehatra manohana an’i Madagasikara ny Fad. Tamin’ny taon-dasa, nahatratra hatrany amin’ny 237,37 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola azontsika, izany hoe, efa ho 475 heny […]
VAOVAO TAMBATRA
Mananosarotra ny fandrindrana ny fitantanam-bolan’ny ankamaroan’ny tokantrano amin’izao fotoana. Hiditra tsy ho ela ny mpianatra, miakatra manaraka izay ihany koa ny vidin’ny fitaovam-pianarana sy ny saram-pisoratana anarana. Ankilany, manomboka miakatra ihany koa ny vidim-bary eny an-tsena. Nandray delegasionina roa ny Fivmpama ny zoma teo. Anisan’izany ny delegasionina avy amin’ny FAO, […]
Vak’ranty : Tetezana ho amin’ny tsena iraisam-pirenena
Hampiroborobo ny vokatra eto an-toerana, mitady tsena vaovao, hampitombo ny vokatra aondrana ary manararaotra ireo tombontsoa eo amin’ ny tsena afrikanina sy iraisam-pirenena. Ireo no tanjona napetraka nandritra ny Foire économique Vak’ranty natao ny 13 ka hatramin’ny 16 aogisitra teo, tao Antsirabe. Nandritra ny roa andro, nifanakalo hevitra tamin’ireo mpisehatra […]





