Toe-karena

METFP sy Madagascar Airlines : Hanofana matihanina amin’ny “aéronautique”

Vita Sonia ny alarobia teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa (METFP) sy ny Madagascar Airlines. Kendrena manokana ny hanofanana matihanina amin’ny sehatry ny “aéronautique” sy hampivelarana ny fahaiza-manao eto an-toerana. Haha­ritra enin-taona ny fifanaraham-piaraha-miasa izay natao hanatsarana ny fahafahan’ny tanora miditra eo amin’ny sehatry […]

Praiminisitra : Hifampidinika amin’ny sehatra tsy miankina ny fanjakana

Andrasana amin’ny herinandro ny fifampidinihana eo amin’ny ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Vonona hamaha ny olana ny fanjakana ka miantso manokana ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara. Hihaona sy hifampidinika amin’ny sehatra tsy mi­ankina ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, ny herinandro ho avy izao, raha ny nambarany nandritra ny fanokafana […]

Angovo : Hiverina ny fanitsiana ny vidin-tsolika

Tapaka taorian’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hiverina ny fanitsiana ny vidin-tsolika. Mety hiova, araka izany, ny vidin-tsolika manomboka amin’ity faran’ny herinandro ity. Tsiahivina fa niditra tamin’ny hamehana ara-angovo isika nanomboka ny volana avrily teo. Fanapahan-kevitra natao mba hampihena ny fiantraikan’ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena eto amintsika. […]

VAOVAO TAMBATRA

Manohana ny fifampiresahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny federasionin’ny Antenimie­ran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM). Mampivondrona ireo mpisehatra ara-toekarena manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny CCI izy. Miantoka ihany koa ny fampandrosoana ireo seha-pihariana samihafa ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Tohanany ny fifampiresahan’ny fanjakana sy ny sehatra […]