Hatao etsy amin’ny Barea Mahamasina,ny 6,7 ary 8 aogositra ho avy izao ny Foara IN-CO 2026 (Salon de l’industrie et du commerce), karakarain’ny Flash Event. Nambaran’ ny tomponandraikitry ny fikarakarana, Ramatoa Tiavina Ny Anjara, fa « tanjona ny hanosehana ny toekarena malagasy amin’ny alalan’ny fikarohana zava-baovao. Hahazo tombony avokoa ny orinasa […]
Toe-karena
Tanora mpandraharaha : Sokajy hifaninanana ny « TJE Croissance+ » sy « TJE Startup »
Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny Trophée du jeune entrepreneur (TJE) karakarain’ny BNI Madagasikara. Mizara sokajy roa izany amin’ity andiany faha-17 ity. Ny «TJE Croissance+» sy ny «TJE Startup». Sokajy voalohany ny “TJE Croissance”, natao ho an’ny orinsasa efa mitsangana nandritra ny iray taona farafahakeliny ary tantanana mpandraharaha latsaky ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Arenina ny tetezana eny Mandroseza. Nesorina ireo arofanina vy, izay efa nilatsaka ary efa atao ny famerenana azy amin’ny laoniny. Eo am-pemetrahana ny fototra hiorenan’ny arofanina, hiarovana ny sisin’ny tetezana. Miara-misalahy manatanteraka ny asa ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), ny kaominina CUA sy Alasora. Natao ny 6-8 jolay teo tany […]
Foibe Ambaninjanahary: Famokarana biolojika
Tany ngazana tany aloha ny any Ambaninjanahary, fokontany, kaominina, distrika Mitsinjo, faritra Boeny. Nosafidian’ny Asity Madagasikara, mitantana ny Faritra Arovana Vondrona Mahavavy-Kinkony (CMK), miaraka amin’ny vondrom-piarahamonina, nananganana ny Voly tahaka. Ampiharina ny famokarana agro-ekolojia na Ala vadim-boly. Izany hoe, tsy mampiasa akora na zezika simika. Maro ny famokarana fitaratra hita […]
Fambolem-bary : Valatahaka 50 ha any Andranomafana
Hametrahana vala tahaka ho an’ny fambolem-bary mirefy 50 ha any Ranomafana Brickaville any amin’ny lalam-pirenena RN2. Manatanteraka azy ny orinasa Com’On Holding, miara-miombon’antoka amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA). Tetikasa entina hanavaozana ny fomba famokarana, amin’ny alalan’ny fanajariana ny tany, hampitomboana ny velaran-tany hambolena. Paikady hanatanterahana azy ny […]




