Toe-karena

Tetikasa Symbiotic-CMK: Hampiasaina amin’ny serasera ny teknika maoderina

Hatsaraina amin’ny alalan’ny tetikasa Symbiotic amin’ny fitantanana ny Vondrona Faritra Arovana Mahavavy-Kinkony (CMK), faritra Boeny, tanterahin’ny Asity Madagasikara ny fomba maoderina amin’ny lafiny serasera sy ny fampitam-baovao. Dinidinika niarahana tamin’ny tomponandraikitry ny serasera Asity Madagasikara, Razafindrakoto Mamonjisoa. Gazety Taratra (-) : Inona no tena atao amin’ny tetikasa Symbiotic ? Razafindrakoto Mamon­jisoa (*) : […]

Hetsika « Call center » sy « Digital » : Maromaro ireo tanora horaisina hiasa avy hatrany

Hetsika miavaka sy manokana. Efa nanomboka omaly, etsy amin’ny tokotanin’ny La­pan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, hatramin’ny zoma izao ny «Salon de la rélation client et des métiers digitals». Nambaran’ny mpikarakara, ZRK, Zina Rakotoseheno, fa hiavaka ity andiany faharoa ity. «Fantatra eo no ho eo na ho voaray avy hatrany […]

Airtel Africa : Ahodina indray ny 94% ny fako

Manana paikady natokana ho an’ny fitantanana ny angovo sy ny fampandrosoana ara – toekarena ny orinasa Airtel Africa, miparitaka aty amin’ny firenena 14 aty Afrika, ary anisany i Madagasikara. Miten­tina 9,1 tapitrisa litatra ny ga­zoala laniny ny taom-piasana 2025-2026. Nambaran’ny tale jeneralin’nyAirtel Africa, Sunil Taldar, fa anisan’ny nahazoana io vokatra […]

Seranana Ivato : Mpandeha anatiny miisa 216 isan’ora voakarakara

Efa miasa tanteraka ny fotodrafitrasa vaovao mandray ny mpandeha amin’ny zotra anatiny eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Nitombo ny isan’ny mpandeha afaka karakaraina sy ny fiaramanidina mivezivezy. Fotodrafitrasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny efitrano malalaka « hall », mikarakara ny mpandeha amin’ny zotra anatiny eny Ivato. Mahatratra 6 miliara Ar (1,2 tapitrisa […]