Mandeha ny asa fanamboarana fotodrafitrasa lehibe roa any Ivahona Andriry sy Ivazo, samy ao amin’ny distrika Betroka, faritra Anôsy. Tohodrano roa, afaka manondraka velarantany mitotaly 508 ha no vita, isitrahan’ny tantsaha maherin’ny 1 300. Any Ivahona ny iray, afaka manondraka velarantany 380 ha, ka mpamboly miisa 1 150 no hisitraka azy. Mahatratra […]
Toe-karena
Mpiaro ny zon’ny mpanjifa: “Malalaka ny safidy “
” Fotoana mahamety azy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana momba ny fampiatoana vonjimaika ny haban-tseranana sy hetra amin’ny vary hafarana”, hoy ny fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Tsy mbola mahasehaka ny filàna ny vokatra eto Madagasikara. Antony nahatonga ireo fikambanana niray feo tamin’ny fanjakana. Nambaran’izy ireo fa hanamafy ny fitsinjovana ny […]
Fitrandrahana volamena : Tsy azo ampiasaina ny merkiora
Anisan’ny tena ahitana fitrandrahana volamena (AMEA) any amin’ny kaominina Antanimbary, distrika Maevatanàna, Faritra Betsiboka. An’arivony ireo mpitrandraka madinika any, nidina ifotony ny fanjakana nanentana azy ireo. Nampahafantatra ireo mpisehatra amin’ny volamena ny lalàna ny minisitera foibe avy aty Antananarivo, nahitana ny mpanolotsaina teknika, ny tale jeneraly ny Ivontoerana momba ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Hiato ny famokarana ao amin’ny UTC 1000, ao Mandroseza, ka hampikorontana ny famatsian-drano amin’ny faritra maro eto Antananarivo. Hitohy hatramin’ny alatsinainy ny asa ary tanjona ny hampitombo ny habetsaky ny avoakan’ny paompy. Voakasiky ny tetikasa ny eny amin’ny Haute ville, Faravohitra, Ambatonakanga, Antaninarenina, Amparibe, Mahamasina, Behoririka, Ankadifotsy, Manjakaray, Anjanahary, Amboditsiry, […]
Orange Madagascar : Manohana amin’ny sehatra niomerika
Natao tao amin’ny Orange Digital Center Fianarantsoa, omaly, ny hetsika “Masterclass”. Ho tohin’ny fankalazana nasionaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, ny 12 sy 13 aogositra izany. Hetsika nahasarika tanora maherin’ny 5 000. Tanjona ny hanome tantsoroka sy fahaiza-manao ho an’ny tanora, hahafahany mamadika ny hevitra ananany ho lasa tetikasa. […]





