Toe-karena

Fitrandrahana: Najoro ny laboratoara hitily ny ambanin’ny tany

Notokanana ny 5 desambra teo ny sampandraharaha, laboratoara eny Ivato, hisahana ny fanaovana andrana ny any ambanin’ny tany, ataon’ny orinasa sinoa, Hunan eto Madagasikara. Hisahana ny aty Afrika ihany koa ity foibe napetraka eto amintsika ity. Tanteraka izany taorian’ny dia nataon’ny filoha Rajoelina Andry tany Hunan Sina, fotoana vitsy lasa […]

Harena an-kibon’ny tany: Tetikasa vaventy fahatelo ny Base Toliara

Hiteraka tombontsoa ho an’ny mponina eny ifotony, ny faritra, ary ny firenena ny fisian’ny tetikasa Base Toliara. Hitondra vahaolana ho an’ny fampandrosoana maharitra. Naneho hevitra ny mpitantana ny orinasa Base Toliara, rehefa nangina nandritra ny 5 taona, nampiatoana azy nanomboka ny taona 2019. Nambaran’ny tale jeneraly, Ramahefarivo Jean Bruno, omaly, […]

Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna – amrep : Manamafy traikefa ireo mpikambana

Tanterahina etsy Ambodi­vona, nanomboka omaly ka haharitra roa andro, ny fivori­ana fahefatry ny fikambanan’ ny mpitondra misy ny TMT, Global Fishing Watch ary ny FCWC (Fisheries Committee for The West Central Gulf of Guinea). Dinihina manokana ny mahakasika ny fandaharanasa ho an’ny fanatanterahana ny AMREP aty Afrika, fanaraha-maso ny jono […]

VAOVAO TAMBATRA

Miditra amin’ny fandrakofana godirao ny lalana eo amin’ny fiolanana Anosibe Namontana hatrany Soanierana. Mirefy 2,11 km ity ampahan-dalana ity, ataon’ny orinasa Colas. Nohatsaraina ny endriny sady nohamafisina, entina hanamora ny fifamoivoizana eny an-toerana. Tohanan’ny fiaraha-miasa amerikanina, Usaid, ny « Solar Hub », foibe herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, napetraka any Ambo­himandroso Manakara. […]

Tandavanala CAZ sy Cofav : Hamafisina ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro

Natao, omaly, teto Anta­nanarivo, ny fivorian’ny vaomiera mpandrindra (CP) mahakasika ny tetikasa tontolo voajanahary lovain-jafy any amin’ny tapany Atsinanan’i Madagasikara. Famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola maitso ho an’ny toetr’andro (FVC). Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ny Birao nasionaly mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro ary ny Redd+. […]