Tsindriandaona ny mponina any amin’ny kaominina Belomboka sy Belalanda, samy distrika Toliara II, manantena ny hisokafan’ny orinasa Base Toliara. Ho azy ireo, hitondra vahaolana amin’ny tsy fisian’asa sy hampandroso ny faritra ity tetikasa ity. Notsorin’ny ben’ny Tanàna Belomboka, Fiadanantsivita, fa miray feo tanteraka ny mponina any Belomboka, manohana ny fitrandrahana […]
Toe-karena
Banky foiben’i Madagasikara : niakatra ny tahan’ny zanabola
Nivory omaly 8 aogositra, ny vaomieran’ny vola ao amin’ ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tinapaka fa hampiakarina ny tahan’ny zanabola ao aminy ho an’ny bankim-barotra. Niakatra ho 9% ny tahan’ny zanabola ho an’ny fametrahana vola (facilités de dépôt), ary lasa 11% ny tahan’ ny findramam-bola (facilités de prêt marginal). Nahatonga […]
APMF Mahajanga : manan-danja ny aroloza
Nihaona tamin’ny mpiasan’ny Antokon-draharaha misahana ny seranan-tsambo an-dranomamy sy an-dranomasina (APMF) any Mahajanga ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, ny herinandro lasa teo. Nanotrona azy koa ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga. Nohamafisiny fa manan-danja lehibe amin’ny fandrindrana ny asa an-dranomasina ny fanajana […]
Faritra Vakinankaratra : nahatratra 561 000 t ny vary vokatra ny taona 2022
Maro ny zava-bitan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) any amin’ny faritra Vakinankaratra, nanomboka ny taona 2019, 2020, 2021 ary ny 2022. Nahatratra 30 ha ny velaran-tany vaovao nohajariana ary 857 ha ny nasiam-panavaozana. Tsy nitsaha-nitombo koa ny voka-bary satria nilanja 352 959 t ny taona 2019, niakatra 453 651 t ny […]
Nosy-Be: mpizahatany 39 000 tonga tao anatin’ny telo volana
Mihamahazo vahana ny sehatry ny fizahantany ao Nosy-Be amin’izao fotoana izao. “Tao anatin’ny telo volana, nahatratra 39 779 ireo mpizahatany tonga ao an-toerana nanomboka ny volana mey ka hatramin’ny volana jolay teo”, hoy ny tale mpanatanteraka ny ORTN Nosy-Be, Randrianjafinirina Gerardo. Tsara ny tsena ho an’ireo mpivarotra kojakoja fahatsiarovana sy […]