Toe-karena

Airtel Africa sy Cisco : ampiasaina ny teknolojia niomerika NaaS

Manitatra ny ambaindain’ny fifandraisan-davitra ny vondrona Airtel Africa. Misy ny fiaraha-miombon’antoka ataony amin’ny orinasa Cisco, ao anatin’ny tolotra NaaS amin’ny lafiny niomerika. Mihazakazaka ny firoboroan’ny tontolo niomerika aty Afrika. Tsy mitsaha-mitombo ny filan’ny orinasa sy ny mpandraharaha. Izany no antony nametrahana ny vovonana, ny Network-as-a-service (NaaS), ahitana ka­razana tolotra samihafa […]

Fadintseranana : manomboka ny tetikasa ho an’ny mpisotro ronono

Notanterahina ny 1 marsa 2024, teny Ihazolava, kaominina Ambohimandroso, ny fambolen-kazo ho an’ny fianakaviamben’ny fadintseranana malagasy. Zana-kazo fihinamboa miisa 2500 no novolen’ireo tomponandraikitra maro avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, eo anivon’ity departemanta ity, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka aminy. Tanjon’ny hetsika ny hanajarina ny velaran-tany 110 h, izay an’ny fadintseranana, ho toeram-pambolena sy […]

MEH sy Tozi Green : zana-kazo 13 000 nambolena tany Farahantsana

Natao omaly 1 marsa 2024, teny Farahantsana Mahitsy, ny fambolen-kazo niarahan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny orinasa Tozi Green. Miisa 13 000 ny zana-kazo nambolena. Nitarika ny hetsika ny minisitra MEH, Jean Baptiste Olivier, sy ny filoha tale jeneraly (PDG) ny Tozzi Green, Davide Giachero. Zava-dehibe ho an’ny toby eny Farahantsana […]

Fifandraisan-davitra : azon’ny Telma ny amboara “Ookla 2023”

Manombana ny tanjaky ny internet ny rafitra iraisam-pirenena mahaleo tena Ookla. Ao anatin’izany ny fijerena ny hafainganam-pandehan’ny tambajotra sy ny teknolojia ampiasaina. Azon’ny orinasa Telma ny amboara “Ookla 2023”, manana ny hafainganam-pandeha ambony indrindra eto Madagasikara. Mam­piavaka azy ny fahombiazana vitany amin’ny tambajotra, ny fiparitahany manerana ny Nosy, sns. Nahatratra […]