Manodidina ny 308 000 ny mpizahatany tonga teto Madagasikara tamin’ny taon-dasa. « Porofo izao fa manomboka miarina ny sehatry ny fizahatany », hoy ny tale mpanatanteraky ny confédération du tourisme de Madagascar (CTM), Rakotomalala Lova. Niantraika teo amin’ny sehatry ny fizahantany ny Covid-19. Tafakatra 900 tapitrisa euros ny fatiantoka azo taorian’ny fanakatonana ny […]
Toe-karena
Volobe : Hisokatra tsy ho ela ny antso an-tetikasa
Dingana gaovana no vitan’ny tetikasa Volobe taorian’ny fampiharana ny drafitra ara-tsosialy sy tontolo iainana vitany. Noho izany, hisokatra tsy ho ela ny antso an-tetikasa. Hamokatra angovo hatrany amin’ny 750GWh isan-taona ny tohodranon’i Volobe izay manana tanjaka 120MW ka mahavita mandrakotra 25% ny filana herinaratra eto Madagasikara. Izany hoe, afaka mamokatra […]
Olan’ny famokarana angovo: Manao antso avo ny Banky iraisam-pirenena
Ahina mbola hitohy ny olan’ny famokarana herinaratra eto Madagasikara raha tsy misy ny fandraisan’andraikitra haingana. Tsy ho tratra ny fisitrahana 80% angovo ny taona 2023, hoy ny Banky iraisam-pirenena. Mety mbola hitohy amin’ny taona ho avy ny olan’ny fahatapahan-jiro raha tsy misy fandraisana andraikitra haingana. Mila ampitomboina ao anatin’ny fotoana […]
VAOVAO TAMBATRA
Tanterahina mandritra ny roa andro, any Casablanca Maroc, ny “African Leadership Persons of the Year Awards (POTY 2024)”. Hetsika iarahan’ireo tomponandraikitra manerana an’i Afrika mahakasika ny fampiraisam-paritra sy fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana. Mitarika ny delegasiona malagasy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Mafy orina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Japon […]
Huawei ICT Competition 2024-2025 : Sivy mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara
Handray anjara amin’ny final regional, fifaninana “Huawei ICT Competition andiany faha-sivy”, ny 27 febroary izao i Madagasikara. Sivy mianadahy ireo handrafitra ny ekipam-pirenena izay hifanandrina amin’ireo firenena 13 hafa. Handray ny lokany any Johannesbourg, ny volana avrily, sy miomana amin’ny dingana farany, «Global final» atao any Shenzhen-Sina, ny volana mey, […]