Hanohana sy hanamafy ny famokarana herinaratra amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny tetikasa Tanà Medium Ring 90 kV. Miisa 8 ny tobim-pamokarana herinaratra hatsangana eto Antananarivo sy ny manodidina. Notanterahina ny zoma teo, ny tombana mialoha ny fanatanterahana ny « Tanà Medium Ring ». Fivoriana voalohany niarahana tamin’ireo manampahaizana teratany sinoa, tomponandraikitra malagasy […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Miatrika fanamby ara-toekarena i Madagasikara amin’ity taona ity. Hiakatra ny vidim-piainana, hihena ny fitomboana ara-toekarena. Nidina ho 3,8% ny vinavinan’ny fitomboana, raha 8,3% kosa ny fidangan’ny vidim-piainana. Miakatra ny vidin-tsakafo, solika, fitaterana ary angovo, ka mihena ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Ilaina, noho izany, ny fanamafisana ny famokarana eto an-toerana sy ny […]
Fanajana ny lalàn’ny jono : Horita 9 996,8 kilao azo tao Velondriake
Efa ho 10 taonina, ny horita azo tao anatin’ny iray andro nandritra ny fanokafana ny fanjonoana horita tao amin’ny Faritra Arovana an-dranomasina (AMP) Velondriake, any Atsimo andrefan’i Madagasikara. Antony nahazoana ny vokatra ny fanajana ny fanakatonana vonjimaika ny toerana fanjonoana. Nandritra izany, afaka nitombo sy niteraka ny horita, ka nahafahana […]
CMR Tunisie : Hanohana ny fanarenana ny Secren
Nihaona tamin’ny tomponandraikitry ny “Société d’étude, de Construction et de Répartition Navale” (Secren), Félicien Milson, ny tale jeneralin’ny “Compagnie Méditerranéenne de la Répartition” (CMR) Tunisie, Claude Miguet, mba hifampidinika momba ny fiaraha-miasa. Tanjona ny hanatsarana ny asan’ny orinasa sy hamerina indray ny fahafahany miasa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tafiditra ao […]
Moris Mada Business Connect 2026 : Paikady handrafetana fiaraha-miasa maharitra
Hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra, hanamafy fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra ara-toerana ho an’ny fampandrosoana ny fihaonambe ara-toekarena « Moris Mada Business Connect Summit ». Nivoitra ireo nandritra ny fanokafana ny hetsika, omaly, teny amin’ny CCI Ivato. Hitohy androany ny fihaonambe, fotoana ahafahan’ireo mpandraharaha sy orinasa ary rafi-panjakana samihafa mikaondoha hampivelarana ny […]





