Toe-karena

Airtel Madagasikara: Manarina an’i Toamasina

Mandray anjara feno amin’ny fanarenana an’i Toamasina, vokatry ny rivodoza Gezani farany teo, ny orinasa Airtel Ma­dagasikara, amin’ny alalan’ny Fondation Airtel Africa. Natao ny 25 jona teo ny fanolorana ny fanampiana ho an’ny Lycée Rabemananjara. Tonga nanatrika ny fotoana ireo manam-pahefana maro, tao koa ny solontenan’ny orinasa mitantana ny seranan-tsambon’i […]

Mahavavy-Kinkony : Niova fo hiaro ny tontolo iainana ny mpiavy any an-toerana

Nankalazaina ny 29 sy 30 jona teo ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME) any amin’ny distrika Mitsinjo, Faritra Boeny. Anisan’ny nampiavaka azy ny faharesen-dahatry ny mpiavy avy any atsimon’ny Nosy, hiaro ny tontolo iainana. Tany Ambalihamarotia, kaominina Mitsinjo no nanatanterahana ny fo­toana. Nanatrika tao avokoa ny manam-pahefana isan-tsokajiny […]

VAOVAO TAMBATRA

Miroso ny dingana hanombohana ny asa fananganana ny Fly Overs Anosizato. Harindra ny tetikasa ka jerena manokana ny lafiny sosialy sy ara-tontolo iainana. Tsy hikatona ny RN1 mandritra ny asa hatao. Harindra ny fivezivezen’ny fiara. Hosokafana ny lalam-piviliana mba hampihenana ny fahasahiranan’ireo mpampiasa lalàna. Nivoitra tao anatin’izay ny fanonerana ho […]

Antsiranana : Angovo karazany 3 ampiasain’ny Enelec

Fiovana lehibe. Dingana vaovao no tanterahin’ny orinasa Enelec any Antsiranana, amin’ny alalan’ny Chelsea Energie, hanatsarana ny fa­matsiana herinaratra. Voalo­hany, ny fametrahana milina mamokatra herinaratra, marika Wartsila, 12V32, mandeha amin’ny solika HFO, manana tanjaka 4 MW, fanampiny. Efa tonga eto Madagasikara ity milina ity, ary efa eo am-pametahana. Faharoa, ho vita […]

Fambolena : Hapetraka ny fotodrafitrasa niomerika

Nampahafantarina ny 29 sy 30 jona teo ny tetikasa hametrahana ny fotodrafitrasa niomerika iombonana ho an’ny fambolena (IPNA). Tanjona ny hampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny fitantanana ny antontam-baovao mahakasika ny fambolena sy ny fomba famokarana. Fotodrafitrasa ahitana ny rejisitry ny mpamokatra sy ny rafitra fanaraha-maso ny vidim-bokatra. Eo koa ny […]