Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Mitohy ny fanamboarana ny lalana tena ratsy eo Andranofasika, RN4, hatrany Ambatoboeny (RN33b). Mirefy 20 km ity lalana harenina ity. Toraka izany koa ny amin’ny RN4, eo Ambondromamy hatrany Andranolava. Vola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (FR) no hanatanterahana ireo asa ireo. Hanamora ny fivezivezen’ny mponina sy ny vokatra […]

Orange Madagascar: Fitetezam-paritra hanakaikezana ny mpanjifa

Zava-dehibe ho an’ny Orange Madagascar ny ma­na­mafy ny fifandraisany amin’ ny mpanjifa. Paikady nanatanterahiny izany ny fitetezam-paritra “Roadshow”, hetsika notarihin’ny Tale jeneralin’ny orinasa, Aminata Ndiaye, tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy, tao Nosy Be sy Antsi­ranana, ny alahady teo. Nisy ny fifanakalozan-kevitra mi­vantana sy malalaka niarahana tamin’ireo mpanjifa sy orinasa […]

toamasina – Angovo : Ho antoky ny fampandrosoana

Mazava ny paikadin’ny Tetikasa Volobe II CGHV (Com­pagnie générale d’hydroéléctricité de Volobe, II). Ny fahaleovantena amin’ny angovo no antoka hampandrosoana an’i Toamasina. Fantatra izany nandritra ny atrikasa nokara­karain’ny laboratoara Fidepa, ny alatsinainy 11 mey teo. Andrasan’ny CGHV, ny Spat, ny Oniversiten’i Toamasina ary ny Antenimieran’ny varotra ireo fiarahamonim-pirenena sy mpandraharaha […]

Olan’ny rano : Fantsona efa antitra 64 km hosoloina

Anisan’ny tena olana amin’ny famatsian-drano eto an-dRenivohitra ny fantsona efa antitra sy harafesina. Ankehitriny, efa an-dalam-panatanterahana ny fanoloana azy ireny, raha tsy nety vita hatramin’izay fa nijanona ho fikasana ihany. Feno 50 taona ny orinasam-panjakana Jirama. Anisan’ny tena mampitaraina ny mpanjifa tato aho ato ny fihenan’ny famatsian-drano, ka nilazan’ny mpitantana […]

VAOVAO TAMBATRA

Hamafisina ny fiarovana ny Valanjavaboahary Menabe Antimena (Apma). Tonga tany Beroboka, distrikan’i Belo Tsiribihina, ny tomponandraiki-panjakana rehetra, niaraka tamin’ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana any an-toerana. Nohazavaina ny faritra misy ny tanin’i Deholme, ny faritry ny Ala Fady sy ny hafa tamin’ny alalan’ny fanehoana ny sarintany mamaritra azy ireo avy. […]