Miroso amin’ny fanamafisana ny vokatra sy ny fidiram-bolan’ny tantsaha ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo. Laharam-pahamehana ny fampiakarana ny vidim-bokatra, ny fanomezan-danja ny vokatra eto an-toerana ary ny fanokafana lalam-barotra. Nihaino ny hetahetan’ireo tantsaha tanora mpitarika avy amin’ny faritra 12 ny minisitera, ny zoma teo, tamin’ny alalan’ny Formagri, vovonam-pikambanana […]
Toe-karena
Angovo azo avy amin’ny rivotra : Am-perinasa ireo turbines 19 ao amin’ny Faritra Anosy
Niasa nanomboka ny volana jolay teo ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rivotra voalohany eto Madagasikara. Tetikasa vokatry ny fiaraha-miasan’ny QMM sy ny Cross Boundary Energy (CBE). Dingana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo madio ny tetikasa. Manamafy ihany koa ny vina apetraky ny QMM amin’ny fitrandrahana lovain-jafy. Ankehitriny, am-perinasa […]
VAOVAO TAMBATRA
Miverina ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo sy ny manodidina. Misy olana ara-teknika ny milina mpihary herinaratra ao amin’ny TAC 1 Jirama ao Ambohimanambola. Maloka ihany koa ny andro ka tsy feno ny vokatra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Vokany mihena hatrany amin’ny 20 MW ny vokatra tsinjaraina eo amin’ny tambazotra […]
Ampitambe Moramanga : Mponina 2 730 misitraka rano fisotro madio
Avy ao amin’ny Fokontany Ampitambe, Kaominina Ambanivohitra Ambohibary, Distrikan’i Moramanga ireo mponina nahazo tombontsoa, taorian’ny fahavitan’ny fotodrafitrasa famatsian-drano avy amin’ny toerana avo (AEPG) novatsian’ Ambatovy vola. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 14 aogositra tany an-toerana ny fotodrafitrasa vaovao. Tafiditra ihany koa ao anatin’ny ezaka ataon’Ambatovy hanatsarana ny fari-piainan’ireo vondrom-piarahamonina manodidina […]
Famatsiana solika: Miantsona eo amin’ny PTP ny sambo TORM EVA
Tapaka taorian’ny dinika nataon’ny Ofisy malagasy misahana ny Akoranafo (OMH), ny Galana Raffinerie Terminal (GRT) ary ny Plateforme Terminal Pétrolier (PTP) fa hiditra amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny sambo lehibe Torm Eva, mpitatitra soliky ny Groupement Pétrolier Madagascar (GPM). Fepetra noraisina sy nihatra avy hatrany ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. […]





