« Manana andraikitra tokony horaisina ny tsirairay amin’ny fampandrosoana maharitra ny firenena, amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra sy hetsika mampandroso ny manodidina », hoy ny tomponandraikitry ny fifandraisana sy ny RSE ao amin’ny vondrona Imperial Brands Madagascar, Rabearisoa Malalatiana. Mampivoatra sy mampandroso ny manodidina sy ireo mpiasa ny tetikasa. Zava-dehibe ihany koa ny fifampizarana […]
Toe-karena
Fambolena sy fiompiana : Eo am-panomanana ny Fanisana RGA-3
Natomboka omaly, tetsy amin’ny Hotel Carlton Anosy, ny asa fanomanana ny Fanisana ankapobeny, andiany fahatelo (RGA-3) momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Nisy, araka izany, ny fivoriana niarahan’ireo minisitera voakasika, ny eo anivon’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo ( MiASA), […]
Fandraharahana : Fanoitra mampivoatra orinasa ny fandraisana andraikitra RSE
Rafitra iray miantoka ny fampivoarana sy ny fampiroboroboana ny orinasa ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy sy tontolo iainana (RSE). Nivoitra izany nandritra ny fanokafana ny « Salon RSE et IDD », andiany faha-10, tetsy amin’ ny Novotel Alarobia. «Tao anatin’ny 10 taona nisian’ny RSE, maherin’ny 80% ireo orinasa nampiditra izany ho anisan’ireo paikadim-pitantanany. […]
VAOVAO TAMBATRA
Asa manodidina ny 200 000 no tandindonin-doza noho ny hetra vaovao nampidirina sy nampiharina nanomboka ny taona 2023, ho an’ny orinasa afakaba. Tara ihany koa ny fandoavan’ny fanjakana ny TVA ka mahatonga ireo orinasa ho very hevitra. Miantso fifampidihana ny GEFP mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra vaovao. Tsy tokony hisy ihany koa […]
Fampiasam-bola : Hanakaiky ireo mpandraharaha ao Sava ny EDBM
Vita sonia omaly, teny Antaninarenina, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny faritra Sava. Tetikasa mikendry ny hanamafy ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola any an-toerana. Hetsika tafiditra ihany koa ao anatin’ny paikadin’ny EDBM amin’ny fananganana ny sampana ao Sambava, araka ny drafitrasany ho an’ny taona 2026. […]




