Tao anatin’ny dimy taona nisiany, maherin’ny 54 miliara Ar ny famatsiam-bola natolotry ny tahiry Famatsiam-bola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa (FMFP), ho fanofanana ireo mpiasa. Maherin’ny 100 000 ireo nisitraka ny tetikasa. « Mamatsy vola mitentina 14 tapitrisa euros ireo mpiara-miombon’antoky ny FMFP, toy ny Agence française de développement (AFD) sy ny […]
Toe-karena
zotra Emirates : ho indimy isan-kerinandro
Mitsinjo sahady ny vanim-potoana mahabetsaka mpizahatany ny kaompania Emirates. Hitombo ho indimy isan-kerinandro ny zotra mivantana mampitohy an’i Dubaï sy Antananarivo, mandalo Seychelles, raha inefatra, ankehitriny. Haharitra 4 herinandro izany, hanomboka ny 13 desambra 2024 hatramin’ny 10 janoary 2025. Isaky ny zoma ny zotra vaovao hataon’ ny fiaramanidina EK707 sy […]
Fizahantany : fanoitra amin’ny fampandrosoana
Sehatra fahatelo anisan’ny mampidi-bola vahiny eto Madagasikara, ny fizahantany. Aorian’ny harena an-kibon’ny tany sy ny entana aondrana any ivelany izy. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Tsenaben’ny fizahantany sy ny asa tanana. Haharitra telo andro izany, etsy amin’ny Kianjan’i Barea. Tonga teny an-toerana nitsidika ny ranty ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina […]
VAOVAO TAMBATRA
Manomboka androany ka haharitra telo andro ny tsenaben’ny fizahantany andiany fahavalo sy ny tsenaben’ny asa tanana andiany voalohany. Hita eny amin’ny kianja Barea Mahamasina avokoa ireo mpikarakara fivahinianana misehatra amin’ny fizahantany sy mpanao asa tanana matihanina maro manome lanja ny vita malagasy. Hitombo 5% ny fitomboan-karena, araka ny voasoratra anaty […]
Fisondrotry ny haba 0,5% : toherin’ny mpandraharaha Mobile Money
Tsy manaiky ny fisondrotry ny haba +0,5%, alaina amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday (mobile Money), ireo mpandraharaha telo. Araka ny fanambarana iombonana nataon’izy ireo, afakomaly, ho lasa vesatra ho an’ny mpanjifa ny fikasan’ny fitantanana foibe ny hetra. Mety hampisondrotra avo roa hatramin’ny dimy heny ny saran’ny fifanakalozam-bola alain’ireo toerana Cash point, […]




