Toe-karena

« Food Ingredients Europe (FIE) » : nanandratra avo ny vokatra malagasy biolojika

Miavaka sy manana kalitao ny vokatra malagasy raha oharina amin’ireo firenen-kafa. Nilahatra tamin’ireo mpisehatra iraisam-pirenena eo amin’ny indostrian’ny akora ara-tsakafo biolojika sy natoraly maneran-tany i Madaga­sikara, mandritra ny hetsika «Food Ingredients Europe (FIE)», tany Francfort Ale­maina, ny 19-21 novambra, ny vokatra malagasy biolojika. Nisolo tena antsika ireo orinasa miisa sivy […]

Moramanga : mamokatra menaka ny tantsaha

Anisan’ny manova sy hanatsara ny velon-tenany ny kaoperativa Hanitriniala, ahitana mpikambana miisa 74, any amin’ny kaominina Morarano Gara, distrika Moramanga. Mifototra amin’ny fanodinana ny voanjo ho lasa menaka fihinana ity kaoperativa ity. Nahazo tohana avy amin’ny Conservation international (CI) toy ny fiofanana ara-teknika sy ara-pitantanana, fitaovana sy milina fanodinana menaka […]

Fandraharahana : misokatra ny village SAE voalohany eto Madagasikara

Mizara ireo tosika ataony mandritra ny roa andro hampiroboroboana ny fandraharahana eto amintsika ireo rafitra mpanohana mpandraharaha avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Hita mandritra ny roa andro, etsy amin’ny Kianja Barea Mahama­sina, ny fikambanan’ireo mpanohana ny fandraharahana, «Village des structures d’accompagnement d’entreprises» (SAE). Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny […]

Fampiasam-bola : hiara-kiasa ny EDBM sy ny Ravinala Airports

Hatao ny paikady mahomby hampiasana ireo fotodrafitrasa rehetra ao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato (TNR), hisarihana ny mpampiasa vola ho avy eto Madagasikara. Natao sonia ny 19 novambra teo ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny EDBM (Economic Deve­lopment Board of Mada­gascar) sy ny orinasa Ravi­nala Airports. Kendrena manokana ireo mpandraharaha mpampiasa vola iraisam-pirenena […]

VAOVAO TAMBATRA

Niverina ny delestazy amin’ny atoandro, nanomboka omaly. Maharitra adiny 2 ora ny fahatapahan-jiro mifandimby hatramin’ny 5 ora hariva, ankoatra ny amin’ny 10 ora alina mandra-maraina. Antony, simba ny milina roa, an’ny Aksaf, eny Ambohimanambola sy ny milina iray, an’ny Afripower, eny Mandoseza. Kely koa ny haavon’ny rano ao Andekaleka. Miantso […]