Hohatsaraina ny ivontoerana faminavinana ny toetry ny rano sy ny toetry ny andro eto Antananarivo. Mandray an-tanana izany ny tetikasa Produir. Notanterahana omaly, teny Ampasapito ny fametrahana vato fototry ny asa ho fanatsarana ny ivontoerana faminavinana ny toetry ny rano sy ny toetry ny andro eto Antananarivo. Nitarika izany ny […]
Toe-karena
Vehivavy mandraharaha : mitaky ezaka ny fitadiavana lalam-barotra
Manaraka fiofanana ho fampivoarana ny lalam-barotra eto an-toerana sy any Afrika ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo vehivavy mpandraharaha miisa 20 avy amina faritra fito eto Madagasikara. Fiofanana atao eny amin’ny Nexius Andranobevava, mandritra ny herinandro. Tanjona ny hanomezana ireo torolalana amin’ny fitadiavana lalam-barotra eto Afrika, hanatsarana ny kalitaon’ny vokatra. […]
VAOVAO TAMBATRA
Manomboka miakatra ireo vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Voakasik’izany ny menaka, ny siramamy, ny entona fandrehitra ary ny arina. Mampitandrina ireo mpivarotra minia manararaotra mampiakatra ny vidin’entana tafahoatra sy ny fivarotana entana lany daty ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Velon-taraina manoloana ny zava-misy sahady ny […]
alan’i Makira : Vola 16 tapitrisa dolara hiarovana azy
Hanokana 16 tapitrisa dolara ny orinasa iraisam-pirenena Rio Tinto, ao anatin’ny tetikasa Redd+. Entina hitantanana sy hiarovana ny valanjavaboaharin’i Makira, any avaratr’i Madagasikara, io fampiasam-bola io, iarahana amin’ny fikambanana Wildlife Conservation Society (WCS), ny Everland ary ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Anisan’ny ala mando mikitroka, hany […]
Fifanakalozana : hiara-hiasa ny CCIFM sy ny Nosy Mayotte
Vita sonia, omaly, teny amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France Madagascar (CCIFM) Androhibe, ny fifanaraham-piaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Nosy Mayotte. Tanjona ny hampiroboroboana ireo tetikasa ara-toekarena iombonana, hisarihana ny fampiasam-bola ho an’ny fampandrosoana ny nosy roa tonta. Hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny sehatry ny fizahantany, ny fambolena, ny jono […]




