Toe-karena

Ambatovy: Tanàna 5 any Andasibe nahazo famatsian-drano miisa 10

Mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ny tetikasa Ambatovy, amin’ny maha orinasa tomponandraikitra azy. Nisitraka rano fisotro madio ny mponina any Andasibe. Tany an-tsaha, sady tsy azo antoka ny fahadiovan’ny rano fi­sotron’ny mponina sasany any amin’ny fokontany ao anatin’ny kaominina Andasibe, distrika Moramanga. Voavaha ny olana, satria nanamboatra fotodrafitrasa […]

VAOVAO TAMBATRA

Vinavinaina hanomboka amin’ity herinandro ity ny asa fanamboarana ireo lavadrano (forage) miisa 35 eto Antananarivo. Hatao eto an-dRenivohitra ny 7 amin’ireo lavadrano, raha miisa 14 ho an’Anta­nanarivo Atsimondrano, 7 ho an’Avaradrano ary 7 ao Ambohidratrimo. Hamokatra rano 700m3 isan’andro ireo lavadrano ireo ka miisa 24 500 ireo hisitraka izany. Marihina fa […]

« Fahaizana ho an’ny rehetra » : miara-miasa ny fitondram-panjakana sy ny UE

Vita sonia ny zoma teo, ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny governemanta malagasy sy ny Vondrona eoropeanina (UE) mahakasika ny fampiofanana arakasa ny tanora sy ny vehivavy. Mitentina 35,5 tapitrisa euros ny famatsiam-bola entina hanatanterahana ny fandaharanasa. Haharitra enin-taona izany ka hampiofana ireo tanora amina sehatra miisa efatra hananana hoavy mamiratra. Ao anatin’izany ny […]

Madagascar Airlines : miverina amin’ny laoniny ny sidina anatiny

« Voavaha tanteraka ireo olan’ny Magacscar Airlines izay niantraika tamin’ny sidina anatiny nataony ny herinandro teo », hoy ny fanambarana nataon’ny kaompania. Niato tamin’ny asany avokoa ireo fiaramanidina miisa telo ka nahatonga fikorontanana teo amin’ny sidina. Noho izany, nitondra vahaolana vonjimaika ireo tomponandraikitra. “Niverina amin’ny laoniny nanomboka ny sabotsy teo ny toe-draharaha […]