Andry iankinan’ny fanjakana tsara tantana sy ny mangarahara ny fampiasam-bola ny fampiasana ny Aid Managment Platform (AMP). Fitaovana iray ahafahana manangona ireo antontanisa mahakasika ny fanampiana rehetra ho an’ny fampandrosoana eo amin’ny fanjakana na «Aide publique au développement» (APD). Tanjona ny hisian’ny mangarahara amin’ny fampidirana ireo antontanisa eo anivon’ny minisitera sy […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Apetraka eny Ambatomirahavavy, Ampangabe ary Ambohidrano ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Manana tanjaka 50 MW ny fotodrafitrasa izay natao hanampiana ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny 20 MW. Hotsinjaraina 5 MW avy ireo renivohi-paritany sy ao Nosy Be. Efa andalam-pitaterana ireo fitaovana hananganana ireo fotodrafitrasa ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana. […]
Tetikasa Itovia : tohana ho an’ny vehivavy
Tontosa ny alarobia teo, teny Antaninarenina, ny fifanoavan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny Agence française de développement (AFD) ao anatin’ny tetikasa «Itovia». Tanjona ny hampirisihina ny fandraharahan’ny vehivavy sy fandraisany anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Mitentina 1,52 tapitrisa euros ny famatsiam-bola ampiasan’ny tetikasa hanohanana […]
Fihaonamben’ny CEO Summit : hametraka paikadim-piaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana
Faritana mandritra ny fihaonamben’ny CEO Summit ireo vina ho an’ny fampandrosoana toekarena lovainjafy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Hojerena manokana ny faritra malalaka ho an’ny fifanakalozana. Hifandinika sy hifanakalo hevitra ho fampiroboroboana ny toekarena sy ny tontolon’ny fandraharahana aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ireo mpandraharaha samihafa sy mpanapa-kevitra ary tompona […]
VAOVAO TAMBATRA
Vonona hanome tanana, hifanakalo traikefa, amin’i Madagasikara ny firenena Etiopianina. Modely azo alain-tahaka amin’ny fandrindrana ny ezaka fahavitan-tena ara-tsakafo ity firenena ity. Voaresaka nandritra ny fihaonamben’ny « World Without Hunger Conference » tany Addis-Abeba ireo traikefa sy fomba nampiroboroboany ny sehatry ny fambolena. Hetsika niarahana tamin’ny delegasiona avy amina firenena maro maneran-tany. […]




