Toe-karena

Tohana AVY AMIN’Ambatovy : fitaovana 460 ho an’ny mpanjono

Nizara fitaovana sy kojakojam-panjonoana ho an’ny fikambanana miisa 9, ivondronan’ny mpanjono sy ny vadiny, ny orinasa Ambatovy, ny 11 novambra teo. Voakasik’ izany ny any amin’ny Dépôt Analankininina, Ambodisaina Ivondro ary Ambodisiny. Niarahan’Ambatovy niasa tamin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) sy ny ONG Crade, ny hetsika, entina […]

Shanghai Huiyou Investment Group : hampiasa vola 100 tapitrisa dolara eto Madagasikara

Hiasa eto Madagasikara ny orinasa sinoa Shanghai Huiyou Investment Group. Hitondra 100 tapitrisa dolara izy ireo, hanodinana ny vokatry ny fambolena. Vita, omaly, ny fanaovan-tsonia fifanarahana eo amin’ny orinasa Shan­ghai Huiyou Investment Group sy ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madaga­si­kara. Hiompana amin’ny tetikasa hiantohana ny fiandrianam-pirenena sy ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Maharitra 100 andro ny fe-potoana fambolena vary an-tanety any amin’ny faritra Androy sy Atsi­mo Andrefana, raha 90 andro ny katsaka. Mandritra ny 150 andro kosa ny vary an-tanety ho an’Alaotra Man­goro, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinanka­ra­tra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary Ihorom­be, raha 120 andro ny fambolena katsaka. Marihina fa miankina […]

Hanatsara ny fitaterana: hiara-hiasa amintsika ny Ejipsianina

Vonona hiara-hiasa amin’i Madagasikara i Ejipta ho fa­natsarana ny sehatry ny fitaterana sy ho fampiroboroboana ny firenentsika ho toerana tsara hanaovana fampiasam-bola. Nambaran’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonja­velo Valery, nandritra ny diany tany Ejipta, ny herinandro teo, fa laharam-pahamehan’ny mi­nisitera ny sehatry ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe, ny […]

Vokatra fanondrana: hiakatra ny vidin’ ny letisia

Mihena hatrany amin’ny 50% ny vokatra letisia mandritra ny taom-piotazana 2024-2025 noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Niroso aloha loatra ny taom-piotazana raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Vokany, tsy maintsy hiakatra ny vidim-bokatra eny an-tsena manoloana ny zava-misy. Manodidina ny 18 000 taonina ny vokatra haondrantsika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ary samy efa […]