Toe-karena

Lalana Taolagnaro-Ambilobe : efa hita ny 50% ny vola hanaovana ny « Route du soleil »

Fandaharanasa goavana vinavinain’ny fitondram-panjakana ny lalana vita godirao, « La Route du Soleil ». Miainga any Ambovombe, manaraka ny morontsiraka atsinanana ary mipaka any Ambilobe. Maherin’ny 2 000 km ny halavan’ny lalana atao godirao « Route du Soleil ». Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny ta­fatafa nataony tao amin’ny televizionam-panjakana, ny alahady alina teo, fa […]

Taona 2023-2024 : nahomby ny 70% ny fambolen-kazo

Araka ny tatitry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), nahatratra 132 948 006 ny isan’ny zanakazo voavoly tamin’ny velaran-tany 76 944 ha nandritra ny taom-pambolen-kazo 2023-2024. Tanjona napetraka ny velaran-tany 78 278,67 ha. Raha ny salanisa ankapobeny, nahomby ny fanirin’ny 70% ny zanakazo. Avy amin’ny tetikasa na fandaharanasa […]

VAOVAO TAMBATRA

Nosokafana ny «taom-pambolena 2024-2025» ho an’ny faritra Alaotra, ny herinandro lasa teo. Natao tany amin’ny vahilavan’i Soaravo, kaominina Ilafy, distrika Ambatondrazaka. Paikady hatao fampiharana ny teknika SRI sy SRA, amin’ny alalan’ny tetikasan’ny Papriz, tohanan’ny fanjakana japoney. Eo koa ny tetikasa Riz Plus, famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny AFD avy amin’i […]

Harena an-kibon’ny tany : hiverina misokatra ny Base Toliara amin’ny taona 2025

Manan-karena ambanin’ny tany i Madagasikara, afaka mitondra fampandrosoana. Hisy tetikasa roa lehibe hanomboka amin’ny taona 2025. Hiavaka ny taona 2025 ho an’ny tontolo ara-toekarena eto Mada­ga­si­kara. Hisy tetikasa roa lehibe momba ny fitrandrahana va­venty ny harena an-kibon’ny tany hihodina, araka ny ao anatin’ny Fandaharanasam-panjakana hotanterahina (PMO), voafaritry ny Politi­kam-panjakana ankapobeny […]