Manampy amin’ny famatsiana herinaratra eny ifotony ny Antenimierandoholona amin’ny maha mpiahy ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana azy. Notokanana ny sabotsy 15 jolay teo ny foibe mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, eny Ambohitromby, distrika Ankazobe. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Soloniaina, ny […]
Toe-karena
« Festival des baleines » : mpizahatany 2 500 handrasana ho tonga
Sehatra isan’ny mampiroborobo ny fizahantany ao amin’ny Nosy Boraha ny “festival des baleines”. Mampifamatotra ny toekarena sy ny kolontsaina ny hetsika noho izy misintona mpizahatany sy mampidi-bola ho an’ny mponina any an-toerana. Anisan’ny mampalaza ny Nosy Boraha ny « festival des baleines ». Sehatra mampiray ny kolontsaina sy ny toekarena izy ity […]
Fifandraisan-davitra: feno 12 tapitrisa ny mpanjifan’ny Telma
Tsy nolavovam-potsiny ny fotoana. Nampahafantatra ny fahafenoan’ny mpanjifa ao aminy ho 12 tapitrisa ny Telma, omaly. Notolorany fanomezana ilay tsara vintana nameo io isa io. Feno 12 tapitrisa, ny alakamisy 13 jolay 2023, ny mpanjifan’ny Telma. Araka izany, nisy ny hetsika ho fampahafantarana izany, omaly, teny amin’ny Campus Telma Andraharo. […]
Toliara II : mitaky fampandrosoana ny mponina any Tsianisiha
Miha mitotongana ny fari-piainan’ny mponina any amin’ny kaominina Tsianisiha, distrika Toliara II. Notaterin’ny olobe any an-toerana, Ravahatrarivo Frankel, fa tsy afaka mamboly ny tantsaha satria tsy misy rano ny tany ambolena. Nisy ny toky nomen’ny orinasa Base Toliara fa hanohana ity kaominina ity. Anisan’izany ny namindrana ny fasana, izay voakasiky […]
Raharaha Cnaps : mitaky ny hanendrena ny DG ny mpampiasa
Miahiahy ny zava-miseho eo anivon’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) ny mpampiasa samihafa. Amin’ny alalan’ny Groupement des entreprises de Madagascar (Gem). Nitaky ny Conférence des travailleurs de Madagascar (CTM) sy ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (FIVMPAMA) ny hanendrena haingana ny tale jeneraly vaovaon’ny Cnaps. “Miteraka olana amin’ny fanatanterahana asa ny […]