Toe-karena

Fanondranana lavanila : hisy rafitra iray hajoro

Hivondrona anaty rafitra iray manan-danja ireo firenena lohalaharana amin’ny famokarana lavanila maneran-tany toa an’i Madagasikara, Ouganda, Papouasie Nouvelle Guinée, Comores. Anisan’ny tombontsoa azo amin’ny fijoroan’ity rafitra ity ny fahamarinan-toeran’ny vidin’ny lavanila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ny fampiroboroboana sy ny fampandrosoana maharitra eo amin’ny seha-pihariana. Ao anatin’izany ny fahitana tsena vaovao […]

Harinkarena Faobe: mila ampitomboina ny fahaizana sy ny traikefa

Marefo ny toekaren’i Madagasikara noho ny tsy fahampian’ny famokaran’ny tsirairay. Mila ampitomboina ny fahaizana sy ny traikefa (capital humain). Ambany ny harinkarena eto Madagasikara ka tsy ahafahana miady amin’ ny fahantrana na koa ametrahana ny Nosintsika ho anisan’ ireo firenena vao misondrotra maneran-tany. Miankina amin’ ny famokarana ny fitombon’ny harinkarena, […]

Demokrasia : mila amboarina ny fitsipi-dalao

“Mila amboarina ny fitsipi-dalao momba ny demokrasia eto Madagasikara. Tsy mety raha izao rafitra voageja izao no hanaovana fifidianana, fa lasa haingon-tsehatra ary hampiasain’ny fitondrana fotsiny ny tena: tsy mahazo ny maro anisa”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny Teza, Rako­toamboa Jean-Louis, momba ny fiatrehana fifidianana depiote amin’ny 29 mey. […]

Tsena ZLECAF : hitombo 10 tapitrisa dolara ny fanondranana entana

Nikarakara fivoriana ampitain-davitra ny masoivohon’i Royaume-Unis eto Madagasikara, David Ashley, ny 22 febroary teo. Noresahina ny tombony hidiran’i Madagasikara ao anatin’ny Faritra fifanakalozam-paritra malalaka aty amin’ny kaontinanta afrikanina (ZLECAF). Niaraka nikarakara tamin’ny masoivoho britanika ity fivoriana ity ny vondrona mpandinika « Over­seas Development Institute » (ODI), manana ny foibeny any Londres. Nandray […]