Nanomboka ny talata 18 febroary teo ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena, RN54. Lalana mirefy 8 km miainga ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga hatrany amin’ny seranam- piaramanidina Amborovy. Asa natao voalohany ny fandrangotana ny arabe, mitohy any amin’ny fandravonana sy ny asa samihafa, miafara amin’ny fandrakofana godirao. Ho vita mialoha ny tapaky ny […]
Toe-karena
Tatitra EITI : Avy amin’ny harena an-kibon’ny tany ny 43% ny fanondranana
Manana ny lanjany ara-toekarena ny sehatry ny harena ambanin’ny tany eto amintsika. Mibahan-toerana ny fanondranana fasimainty, maherin’ny 538 000 t ny naondrana tany ivelany, ny taona 2022. Namoaka ny tatitra, ny 20 febroary teo, ny Rafitra iraisam-pirenena momba ny fangaraharana amin’ny fitrandrahana vaventy ny harena ambanin’ny tany (EITI) ho an’ny taom-piasana […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 146 ny tantsaha nisitraka kojakojam-pamokarana any amin’ny kaominina Vohilengo, distrika Fenoarivo Atsinanana, ny 18 febroary teo. Nahazo masomboly vary Mihary 9 kilao, zezika NPK 15 kg ary zezika organika 75 kg tsirairay avy izy ireo. Ao anatin’ny tetikasa Purpa, famatsiam-bolan’ny Bad, tantanin’ny minisiteran’ny Fambolena ity hetsika ity. Ho roahana […]
Voly vary safiotra : Mahafa-po ny tantsaha ny fanirin’ny ketsa
Hita sahady ny fihatsarana! 15 andro lasa izay no nafafy ny masomboly vary safiotra tany Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Tapa-bolana aty aoriana, niaiky ny hatsaran’ny fanirin’ny ketsa ny mpamboly. Talanjona tamin’ny habetsahana sy hatsaran’ny ketsa izay tena mbola tanora i Jean Claude, mpamboly any Ambodimanga Ambatondrazaka. « Tsinjoko sahady fa hitombo ny […]
Fikarohana: Hojerena ireo lavanila mahazaka toetr’andro
Anatin’ny fikarohana ireo lavanila mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ireo aretina samihafa ny « Centre de coopération internationale en recherche agronomique pour le développement (Cirad). Tanjona ny hampiroborobo ny vokatr’ireo mpamboly ka hahatohitra ireo karazan’aretina mety hiseho. Hanampy an’i Madagasikara hitazona hatrany ny toerana amin’ny maha mpamokatra lavanila azy eo […]