Toe-karena

Faritra Menabe: 2 000 Ar ny kilaon’ny voanjo eny amin’ny mpamokatra

Tafapetraka ny paikady hanarenana ny seha-pihariana voanjo sy hiantohana ny tombontsoan’ny tantsaha. Rafitra natao hanampiana ireo mpisehatra sy hanohanana ny toekaren’ny faritra. Miroborobo. Velom-panantenana ireo mpisehatra eo amin’ny lalam-pihariana voanjo ao amin’ny Faritra Menabe. Tapaka taorian’ny fikaonandoha ataon’ny fanjakana sy ireo mpisehatra samihafa fa 2 000 Ar ny kilao handraisana […]

VAOVAO TAMBATRA

Haharitra herinandro ny fikojakojana ny milina DG2 ao amin’ny Afripower Mandroseza. Tara roa taona ny fikojakojana ara-teknika, ka antony hanatanterahana izany amin’izao fotoana. Tanjona ny hiantohana ny fitaovam-pamokarana, indrindra mandritra ny vanim-potoan’ny haintany. Marihina fa mahatratra 40MW ny herinaratra azo avy amin’ny tobim-pamokarana herinaratra avy ao Mandroseza. Handefa milina mpamokatra […]

The Anja Reserve Lodge : Anisan’ny hotely tsara indrindra aty Afrika

Vao nisokatra roa taona monja, voasokajy ho anisan’ny trano fiantranoana sy fisakafoana tsara indrindra aty Afrika sy ranomasimbe In­diana ny The Anja Reserve Lodge & Restaurant. Any An­jaha, akaikin’Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony, manamorona ny lalam-pirenena RN7 no misy azy. Laharana faha-14 ny filaharany, araka ny fanasokajiana Travellers’ Choi­ce Best of […]

Foaran’ny fampindramam-bola : Hanohanana ireo mpandraharaha

Hatao eny amin’ny CCI Ivato, ny 10 sy 11 jolay 2026 izao, ny andiany faharoa amin’ny “Foaran’ny fampindramana sy fampiasam-bola” (Foire aux crédits et investissement). Izay karakarain’ny Assist & Co. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Finance et technologie”. “Tsy afa-miala amin’ny teknolojia intsony isika ary izany indrindra no avoitra amin’ity taona […]

Famokarana : 70 tapitrisa dolara hanarenana ny Siranala

Andrasana ao anatin’ny telo herinandro ireo vahiny mpampiasa vola hanao fanadihadiana ara-teknika ny orinasa Siranala (Sucrerie industrielle d’Analaiva) ao amin’ny Faritra Menabe. Hetsika tafiditra amin’ny dingana voalohany hanarenana ity orinasa malagasy mpamokatra siramamy ity. Mitentina 70 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola ilaina amin’ny dingana voalohany, tetikasam-panarenana ny orinasa. Haharitra 18 ka […]