Toe-karena

Milina indostrialy : nahazo ny anjarany i Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo

Hampiroborobo ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra ary hampiakatra ny toekaren’ny mponina ny taninketsa indostrialy napetraka ao Fenoarivo Atsinanana sy Soanirenana Ivongo. Nisitraka ozinina ary na­hazo milina hoentina mampiroborobo ny vo­katra any an-toerana i Fenoa­rivo Atsinanana sy Soanie­rana Ivongo. Milina fanamainana voankazo ahafahana mitahiry azy tsy ho simba no natolotra ny […]

Nihena ny vokatra : nahatratra 14 390 t ny letisia naondrana

Tapitra tamin’ny 27 janoary 2023 ny taom-piotazana sy ny fanondranana letisia avy eto Madagasikara mankany ivelany. Araka ny antontanisa navoakan’ny Foibe teknika mikasika ny zava-maniry any Toamasina (CTHT), nihena ny vokatra raha oharina tamin’ny taom-pamokarana 2021-2022. Nidina ho 14 390 t ny letisia naondrana tany ivelany ny taona 2022-2023, ka nalefa […]

Fiarovana ny tontolo iainana: miainga amin’ny tsirairay ny asa maharitra atao

Miankina amin’ny olombelona ny hoavin’ny tontolo iainana. Mila tonga saina amin’ny tokony hataony ny tsirairay hamerenana indray ny hakanton’ny harena voajanahary. Mila tonga saina amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana ny olombelona. Mpiara-belona amin’ny rohivoaary isika kanefa tsy mahafantatra ny lanja entiny ho an’ ny olombelona. Antony nahatonga ny hetsika “Portes ou­vertes […]

Tetikasa Fanavotana: manampy ireo vehivavy marefo ara-pivelomana

Mifantoka amin’ny fanangonana sy fanodinana fako ny fandaharanasa « Fanavo­ta­na » iarahany amin’ny « Agir pour le développement durable et l’emploi vert » (ADDEV). Miisa 32 ireo vehivavy mpikambana misehatra amin’ny fanodinana ny fako. « Tanjona ny hampidi-bola sy hanatsarana ny fari-piainany. Eo koa ny fiarovana ny tontolo iainana », hoy Andolalaina, mpanentana ara-tsosialin’ny tetikasa. Maka […]

“Robot” ho an’ny fambolena : hiatrika ny famaranana i Ziona A. sy Law A.

Hatao any Senegal, ny 23 hatramin’ny 30 jolay ho avy izao, ny fifaninanana robotika, andiany farany. Nahazo laharana faharoa tamin’ny fifaninanana robotika “Panafrican robotics competition” (PARC), andiany faharoa i Madaga­sikara. Hiatrika izany i Ziona Alberson sy Law Anthony, Malagasy injeniera eny amin’ny politeknika Vontovorona. Hitondra vahaolana maharitra momba ny teknolojia […]