Toe-karena

Fanondranana jirofo : miisa 108 ireo nahazo fahazoan-dalana

Mitotaly 108 ireo mpandraharaha nahafeno fepetra sy nahazo fahazoan-dalana (agrément) hanondrana jirofo, ho amin’ny taom-panondranana 2024-2025, araka ny lisitra navoakan’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic). Hita tao anatin’izay fa miisa 38 ireo tafiditra ao anatin’ny sokajy indostria raha toa ka 70 kosa ireo voasokajy ho « artisan ». Manankery […]

Fampiasana angovo azo havaozina : vehivavy 15 nisitraka fampiofanana

Taorian’ny fampiofanana momba ny fandraharahana, nanaraka fiofanana momba ny fikirakirana ny fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro (photovoltaïque) ireo vehivavy 15 isa avy eto amin’ny faritra Anala­manga sy Atsimo Andrefana. Ankehitriny, afaka manangana sy mikojakoja ireo fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy mampiroborobo ny fidiram-bolan’ny orinasa tantaniny izy 15 mirahavavy. […]

Fampiroboroboana ny fampiasam-bola: hiara-hiasa ny EDBM sy ny CEO Summit

Vita sonia ny zoma teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim) sy ny Agence BeCom ary ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), ho an’ny fikarakarana ny hetsika voalohan’ny CEO Summit eto Madagasikara. Tanterahina eto Antana­na­rivo, ny 5 sy 6 desambra, ny fihaonana antam­pony CEO Summit. Manodidina […]

MFFT-SIF : fametrahana ny vovonana ho an’ny fananantany

Natao ny alarobia 31 oktobra teo ny fifampidinihana nokarakarain’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) sy ny vovonana fikambanana Sehatra iombonan’ny fananantany (SIF). Nambaran’ny tale jeneralin’ny MMFT, Rakotobe Mamin’Ny Aina, fa hatsangana ny vovonana eken’ny rehetra entina hanatsarana ny fitantanana ny fananantany, hanatsarana ny lafin-tany. Misolo tena ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy mahomby avokoa ny 49,5% amin’ireo orinasa vaovao ao anatin’ny dimy taona voalohany nisiany. Lasibatr’izany avokoa ny 80% amin’ireo mpandraharaha vao misondrotra ka mampitsahatra avy hatrany ny asany. Midika ho fiafaran’ny nofy sy ny tetikasa nanaovana ezaka samihafa ny fanakatonana orinasa iray. Lokan’ady ho an’ny faharetan’ny fandraharahana ireo fanamby ara-toekarena […]