Vaindohan-draharahan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny hanatsara ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Antony nametrahana ny « comptoir unique » ao amin’ny foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny tetibola sy ny fitantanam-bolan’ny minisitera (SGEAE). Notokanana ny alakamisy teo ity sampandraharahana ity ka natao handraisana sy hikarakarana ny antontan-taratasin’ireo mpiasam-panjakana, hatramin’ny fisotroan-dronono. Hampiasana ny haitao ara-kajy […]
Toe-karena
Fandrindrana ny tanàn-dehibe : mitaky fenitra ny fanorenana trano
Antoka ho an’ny fandrindrana ny tanàn-dehibe sy ny fanajariana ny tany ny fanaraha-penitry ny fanorenana mba hamaly ny filan’ny mponina ao aminy. Mitaky fenitra ara-teknika sy fepetra maro ny fanorenana sy ny fandrindrana ny tanàn-dehibe. « Tsy tokony hifanakona ny trano fa ho azon’ny andro, tokony ho afa-miaina malalaka ny fianakaviana […]
« Forum des entrepreneurs » : hampivoarana ireo orinasa madinika
Hatao etsy Antaninarenina, ny 8 sy 9 Novambra izao, ny « Forum national des entrepreneurs », andiany fahenina. Hetsika karakarain’ny club des entrepreneurs MED Aina vao, tohanan’ny Madagascar enterprise de développement. «Renforcer la viabilité des entrepreneurs malagasy », io ny lohahevitra mandritra izany. Hiompana bebe kokoa amin’ny fanampiana torohevitra hampivoarana sy hampiseho ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Maherin’ny 100 tapitrisa dolara isan-taona ny fandaniana vokatry ny fahataran’ny tetikasa mpamokatra herinaratra, toa an’i Sahofika izay manome 192 MW, sy Volobe mamokatra 121 MW. Mitombo ny fandaniana noho ny fiankinandoha amin’ny fanafarana solika ka miteraka fatiantoka hatrany amin’ny 355 tapitrisa dolara ho an’ny Jirama izany. Ny taona 2022, nitombo […]
tetibolam-panjakana 2025 : Sehatra telo no ho laharam-pahamehana
Mibahan-toerana ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola ho an’ny taona 2025 (PLFI) ny sehatry ny fambolena, ny angovo azo havaozina ary ny fotodrafitrasa. Tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy hamerenana an’i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indianina, amin’ny alalan’ny fanovana sy fampiroboroboana ny fambolena. Haparitaka any amin’ny tantsaha ny volivary safiotra […]




