Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny fivoriamben’ny Comesa andiany faha-23, tany Burundi farany teo, fa anisan’ny hifotoran’i Madagasikara, hitondra fampandrosoana ny fanodinana ny vokatry ny fambolena. Eo koa ny fitrandrahana ara-drariny ny harena an-kibon’ny tany miantraika amin’ny vahoaka eny ifotony sy ny fizahantany ara-tontolo iainana. Mamokatra mena-boanjo 15l isan’andro, 100% […]

Orinasa Star: Hetsika octobre Rose 2024 ho an’ny mpiasa

Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena ny Star, manana hetsika mahakasika ny fahasalamana ho an’ny mpiasa ihany koa izy. Nisy ny hetsika manokana ho an’ny vehivavy, « Octobre Rose » tao anatin’ny orinasa, natao nandritra iny volana lasa teo iny. Nambaran-dRaveloarison Fanou, tomponandraikitry ny serasera amin’ny rafitra sy ny Andraikitry ny orinasa amin’ny […]

Akora fototra: nihena ho 260 000 t ny vokatra katsaka

Miseho isan-taona ny tsy fahampian’ny akora fototra fanamboarana provandy, toy ny katsaka. Anisan’ny voakasik’izany ny fiompiana akoho manatody lava sy fakana nofo. Misedra olana ny seha-pihariana akoho! Tsy ampy ny akora fototra atao sakafo, indrindra ny katsaka. Araka ny antontanisa avy any amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, nihena ho […]

Imerintsiatosika : tafapetraka ny vato fototry ny kaomisarian’ny polisy

Tafapetraka ny alakamisy 31 oktobra 2024 teo, ny vato fototry ny kaomisaria vaovao ao Ambohitrantenaina Imerin­tsiatosika. Tafiditra indrindra amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena momba ny fampandrosoana mifototra amin’ny fijerena lavitra sy ny fanatsarana hatrany ny fandriampahalemana izany. Eo koa ny fanorenana tanàna vaovao izay ahitana ireo biraom-panjakana maro ilain’ny vahoaka, toy ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Niverina nihazo an’i Paris, omaly, ilay fiaramadina AF 934 an’ny kaompania Air France, raha tokony ho nigadona teto Antananarivo tamin’ny alina. Mbola tsy fantatra ny anton’ny zava-misy saingy andrasana ny vaovao mahakasika izany. Tsiahivina fa niainga tao amin’ny seranam-piaramanidinna Charles de Gaulle, omaly tamin’ny 11ora latsaka fahefany, ora any Paris, […]