Toe-karena

Lafo ny katsaka: nihena 50% ny mpiompy akoho

Tandindonin-doza ny seha-pihariana akoho manatody lava sy ny fakana nofo. Nampahafantatra ny zava-misy ny fikambanana, vovonana iraisan’ny mpisehatra matihanina amin’ny seha-pihariana akoho eto Madagasikara (IPA), omaly. Misedra olana ireo mpiompy akoho manatody lava sy ny fakana nofo. Midangana ny vidin’ny sakafo fototra, indrindra ny katsaka. Nilaza i Anjaratiana Nomenjanahary, mpiompy […]

CT Motors sy PAMF: hahazo fiara ireo manana anton’asa

Tontosa omaly, ny fifanaovan-tsonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny vondrona CT Motors sy ny Banky mpampindram-bola Première Agence de Microfinance (PAMF), tetsy Andraharo, omaly. Natao hampidinana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara, manampy ny mpanjifa hisitraka vokatra mivantana eo anivon’ny orinasa CT Motors ity fiaraha-miasa ity. “Afaka mivadika ho tompon’ny   Tuktuk entiny […]

MCB sy ny Sunref: famatsiam-bola ny tetikasa maitso

Natao, omaly, ny atrikasa mifantoka amin’ny lohahevitra hoe « Sunref, fitaovana iray hanafainganana ny tetikasanao sy ahitana fahombiazana ». Nandray anjara tao ny avy amin’ny banky MCB sy ny teknisiana ao amin’ny Sunref (Famatsiam-bola ny fampiasana ny angovo maharitra sy ny harena voajanahary). Notombanana ny fandrosoan’ny asa manerana ny Nosy, izay tena […]

QMM sy ny fanjakana: nofoanana ny trosan’ny fanjakana 77,2 tapitrisa dolara

Tapitra ny febroary 2023 teo ny fe-potoana 25 taona, nifanarahan’ny fanjakana malagasy sy ny QMM. Naverina nodinihina ny fifanarahana ka notsinjovina ny hahazoan’ny firenena malagasy tombontsoa. Nitondra fanazavana ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS), Rakotomalala Herinandrainy, omaly, mikasika ny fifanarahana vaovao nataon’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa QMM. Nisy […]

Harena voajanahary: sokatra 59 tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina

Sarona teny Ivato ireo sokatra nafenina tao anaty sakaosy saika haondrana antsokosoko any ivelany. Velon’aina ireto harena voajanahary mampiavaka an’i Madagasikara ireto ary napetraka eny anivon’ny Turtle survival alliance Madagasikara. Tratran’ny  tomponandraikitra ao amin’ny fadintseranana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny talatra teo, ireo sokatra 59 saika haondrana antsokosoko. Mbola velon’aina […]