Vonona hanampy an’i Madagasikara eo amin’ny seha-pihariana lavanila ny fandaharanasa “cadre integré renforcé (CIR)” toy ny natao tany amin’ ny nosy Comores izay nanaovana fandinihana manokana sy matihanina. Nentin’ny mpandrindra eto anivon’ny firenena ny fandaharanasa CIR, Paulin Zambelongo, teo amin’ireo mpikambana anatin’ny komity mpitantana nasionalin’ny fandaharanasa ny vokatry ny fanohanana […]
Toe-karena
RCA Vovonana : manohana fikambanana
Fikambanana niorina tamin’ny taona 2022 ny Association nos enfants extraordinaires eny Ambodifasika Itaosy. Misahana ny fanabeazana sy fikolokoloana ny zaza tsy tena tomombana ara-tsaina (autiste) izy ireo. Nahatsiaro ho manana adidy amin’izany ny fikambanana Rotary club Analamanga (RCA) Vovonana ka nitondra fanampiana, ny sabotsy 17 febroary teo, teny an-toerana. Nilaza […]
Angovo : maro ireo tetikasa atao ao anatin’ny 100 andro
Tetikasa goavana hanavao sy hanatsara ny sehatry ny angovo eto Madagasikara no hotanterahina manerana ny Nosy ao anatin’ny zato andro. Anisan’ireo andry telo lehibe iankinan’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny sehatry ny angovo. Ankehitriny, tafapetraka avokoa ireo tetikasam-panjakana hanatsarana ny sehatry ny angovo izay hotanterahina eto Madagasikara, mandritra ny 100 andro. […]
Toekarena manga maharitra : hamafisina ny fiarovana ireo biby lehibe an-dranomasina
Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ny Fizahantany sy ny asa tanana ary ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga amin’ny fijerena ireo biby lehibe an-dranomasina. Vita sonia teo amin’ireo minisitera telo tonta sady nampahafantarina ny alakamisy teo, teny Ambodivona, ny lalàna mifehy ny fijerena ireo biby […]
Fifandraisana iraisam-pirenena : hanohana an’i Madagasikara ny Britanika
Vonona hanohana an’i Madagasikara ny firenena Britanika, amin’ny alalan’ny fandaharanasa ara-barotra “Developping Countries Trading Scheme, (DCTS) » na Rafitra fifanakalozana eo amin’ny firenena andalam-pandrosoana. Tanjona ny hanohanana ara-toekarena sy hanalefahana ny vidim-piainana aty amin’ireo firenena andalam-pandrosoana. Afaka manondrana entana sy vokatra mankany amin’ny tsena britanika ireo Malagasy mpandraharaha. Tsy ho tataovan-ketra […]




