Sarona teny Ivato ireo sokatra nafenina tao anaty sakaosy saika haondrana antsokosoko any ivelany. Velon’aina ireto harena voajanahary mampiavaka an’i Madagasikara ireto ary napetraka eny anivon’ny Turtle survival alliance Madagasikara. Tratran’ny tomponandraikitra ao amin’ny fadintseranana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny talatra teo, ireo sokatra 59 saika haondrana antsokosoko. Mbola velon’aina […]
Toe-karena
Fanamboarana pasipaoro: raisin’ny fanjakana ny hetra
Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany amin’ireo fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana pasipaoro tsotra, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo. Tsiahivina fa niato nandritra ny iray volana sy tapany ny fanamboarana pasipaora malagasy. Nivaha ny olana taorian’ny nahatongavan’ireo fitaovana […]
Fiarovana ny tontolo iainana : tanora 105 nahazo fiofanana
Nankalazaina ny 17 sy 18 avrily teo, tany Amboalefoka Miarinarivo, ny Andron’ny asa tanana sy ny tontolo iainana ary ny tanora. Nanofana tanora 105 isa ny tily sy ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao. Natao izany mba hanentanana ny fiarahamonina hiaro ny tontolo iainana sy ny asa tanana ao […]
«Hazavao ny elakela-trano» : nahazo jiro cobra ny eny Amboditsiry
Afaka ao anaty haizina ! Nisitraka ny tetikasa «Hazavao ny elakela-trano», tanterahin’ny Jirama, ihany koa ny mponin’Amboditsiry, tapany andrefana. Herinandro lasa izay no nangatahan’ny mponina hametrahana jiro fanazavana ny lalana mirefy 700 metatra eo. Satria tsy nisy fahazavana nandritra ny 20 taona mahery, ka tena nampatahotra noho ny tsy fandriampahalemana, indrindra […]
Mitotongana : 5 000 Ar latsaka ny sandan’ny 1 euro
Tsy mitsahatra mitotongana ny lanjan’ny sandam-bola Ariary miohatra amin’ ny vola vahiny. Mananontanona ny 5.000 Ar ny 1 euro, ka efa nisanda 4 935 Ar, omaly 21 jona 2023, araka ny antontanisa navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), araka ny fifanakalozana farany tamin’ny 3 ora tolakandro, ary 4 878 Ar raha […]