Miasa andro aman’alina ny minisiteran’ny Asa vaventy manarina ny lalam-pirenena simba vokatry ny oram-be. Manampy ihany koa amin’ny fanarenana ny toby fanariam-pako eny Andralanitra izy. Arahin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) maso akaiky daholo ny lalam-pirenena rehetra eto Madagasikara, anisan’izany ny lalam-pirenena fahenina (RN 6) amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Anisan’ny faritra be […]
Toe-karena
Fiaraha-miasa ESPA sy ACPE : mandalina ny «Lean Management» ireo mpianatra
Misitraka fiofanana maimaimpoana amin’ny alalan’ny fandalinana ny «Lean Management» ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ambony Polytechnique Vontovorona, nanomboka ny 25 janaoary teo. Hanampy ny tanora hiorim-paka amin’ny fomba fiasa manokana mitaky ny lafatra hatrany io fianarana «Lean Management Six sigma» io. Fitaovana iray nampiasaina nanomboka ny taona 1850, nandritra ny […]
Fandraharahana: vonona hampandroso ny indostria malagasy ny UE
Hiara-kiasa akaiky ny Vondrona eoropeana (UE) sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) amin’ny fampandrosoana ny indostria eto Madagasikara. Voalaza izany, nandritra ny fifanakalozan’ny minisitra, Razafindravahy Edgard, sy ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeana, Isabelle Delattre Burger, omaly, tetsy Ambohidahy. Hojerena manokana ny tontolon’ny fampiasam-bola sy ny momba ireo […]
Jobily faha-25 taona : miara-miasa ny sekoly Emit sy ny Airtel
Manomana ny faha-25 taona niorenany ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny fitantanana sy ny fikarohana ara-teknolojia (Emit) any Fianarantsoa sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, ny orinasa Airtel Madagasikara. Nihaona tamin’ireo tomponandraikitry ny sekoly, ny mpampianatra, ny solontenan’ny mpianatra ary ny fikambanana samihafa any an-toerana, ny avy amin’ ny Airtel, notarihin’ny tale jeneraly […]
Taninketsa indostrialy: hapetraka isaky ny kaominina
Paikady vaovao indray no entin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny indostria eto Madagasikara. Hapetraka isaky ny kaominina ny taninketsa indostrialy. Anatin’ny fanatanterahana izany ny minisitera amin’izao fotoana. Nahazo ny anjara taninketsany indostrialy Antsirabe an-tampon-tanàna sy Betafo. Nisitraka milina mpanodina paoma ho lasa vinaigre […]




