Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Nahazo lavadrano mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 3 ny lemaka fambolena any Ambararata, distrika Manja, faritra Menabe. Mano­didina ny 10 000 ny tantsaha misitraka ity fotodrafitrasa ity, manondraka velaran-tany 360 ha rehefa tena ara-dalàna ny rano, raha 80 ha no voatondraka teo aloha. Avy amin’ny tetikasa AD2M, ao anatin’ny minisiteran’ny […]

Voly fanondrana: 30 000Ar ny kilaon’ ny lavanila maitso

Manomboka eo amin’ny 25 000Ar ka hatramin’ny 30 000Ar ny kilaon’ny lavanila maitso ao amin’ny faritra Sofia. Nihena ny vokatra tamin’ity taona ity saingy tsara ny kalitaony. Kaominina telo, ao amin’ny distrika Bealanana, kosa no misy ny tsenan’ny lavanila dia ny any Ambohimisondrotra sy Ambodisikidy ary Ambararata. Nidina ifotony tany amin’ny faritra […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo: manome tohana antsika ny firenena Egyptianina

Mandray anjara amin’ny fiofanana mahakasika ny fampamokarana anaty rano ho an’ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo aty Afrika i Mada­gasikara amin’ny alalan’ny Talem-paritry ny jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Alao­tra Mangoro. Hetsika izay atao ao amin’ny ivontoerana iraisam-pirenena Egyptianina momba ny fambolena (Eica) ao Le Caire, Egypta. Manotrona izany koa […]

Fampiroboroboana ny fandraharahana: Vinavinaina hiara-hiasa ny Dric Itasy sy ny RNA

Miroso amin’ny dingana fakan-kevitra ny Talem-paritry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra (Dric) Itasy sy ny Région Nouvelle aquitaine (RNA) hirosoana amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny fampivoarana ireo orinasa kaoperativa ao amin’ny faritra Itasy. Namelabelatra ireo andraikitra sahaniny sy ny vinan’ny minisitera ny Dric nandritra ny fihaonany […]