Toe-karena

Karazan-javamananaina : fototry ny fampandrosoana lovainjafy

Antoka ho an’ny fampandrosoana maharitra ny toekarena ny fiarovana ny karazan-javamananaina. Anisan’ireo firenena na­nao sonia hampihatra ireo drafitra napetraka nandritra ny “Conférence des parties de la Convention sur la diversité biologique” (Cop15 de la CDB), i Madagasikara. Drafitra hiarovana sy hamerenana amin’ny laoniny ny karazan-javamanaina ho an’ny telopolo taona manaraka. […]

Trophées du Jeune Entrepreneur 2024 : norombahin’i Randja Ranaivozanany

Nampahafantarina tetsy amin’ny Gare Soarano, ny alakamisy teo, ireo mpandraharaha mendrika sy nandrombaka ny amboara «Trophées du Jeune Entrepreneur (TJE)», andiany 2024, hetsika izay karakarain’ny BNI Madagas­car. Miisa efatra ireo tanora mpandraharaha nandresy lahatra ny mpitsara. Norom­bahin-dRanaivozanany Randja, mpitantanana ny orinasa FOODMARK, toeram-pisakafoanana, ny TJE Croissance + raha voatondro ho […]

Fanodinan-tsakafo: hasongadina ny fromazy malagasy

Hatao ny 17 hatramin’ny 20 jolay ho avy izao, etsy amin’ ny zaridaina Antaninarenina, ny Foaran’ny fromazy aty afovoan-tany. Voakasik’izany ireo mpisehatra amin’ny ronono, ao anatin’ny faritra Analamanga, Itasy, Bongolava ary Vaki­nan­karatra. Miainga any amin’ny mpiompy ombivavy beronono, ny mpanangom-bokatra ary ny mpanodim-bokatra. Andiany voalohany ity hatao ity, karakarain’ny M’Anja […]

RSE : andrasana ny hivoahan’ny lalàna

Tanjona amin’ny Andraikitra sosialy raisin’ny orinasa (RSE) ny hitondra fampandrosoana maharitra. Andrasana ny lalàna mazava hifehy azy, iraisan’ny orinasa rehetra. Natao ny 11 sy ny 12 jolay teo, teny amin’ny Novotel Ivandry, ny he­tsika «Salon de la RSE», andiany fahasivy, nokarakarain’ny Innoveo. Maherin’ny 70 ireo tranoheva nandray anjara, nampahafantarin’izy ireo […]

Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana… : “Hampidirina anaty tetikasa ny fiovan’ny toetr’andro”

Notanterahina tetsy Ana­lakely, omaly, ny atrikasa sy fampiofanana ireo mpiasan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany (MFFT). Niompana amin’ny hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro an-tanàn-dehibe ny fampiofanana. “Hampidi­rina ao anaty tetikasa hatreny anivon’ny kaominina amin’ny faritra manerana ny Nosy izany, indrindra ny an-tanàn-dehibe”, hoy ny talen’ny teti-pivoarana eo anivon’ny MFFT, Rateloson […]