Toe-karena

Tsara ny vokatra : nahatratra 3 000 t ny lavanila naondrana

Nihoatra ny hatramin’izay! Nahatratra 3 000 taonina ny lavanila naondran’i Madagasikara tany ivelany, nanomboka ny desambra 2023. Fatra ambony indrindra io raha toa ka manodidina ny 2 000 taonina ny salanisa fanondranantsika isan-taona hatramin’izay. Midika izany fa manomboka miverina amin’ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny sehatry ny lavanila malagasy, […]

Hazo sarobidy: tsy mirindra ny fitantanana ny hazo sy ny fanaka

Miompana amin’ny fanadihadiana ara-tsiantifika ny hazo sarobidy ny tetikasa “G3D”. Manaitra ny tomponandraikitra ny mpanatanteraka azy fa tokony hisy ny lalàna sy fepetra mandrindra ny fitantanana azy ireo. Tsy hita afa-tsy eto Ma­da­gasikara ny 30% ny voamboana sy ny andra­mena (Dalbergia) sy ny 36% ny volombodipona (Diospyros). Tandindomin-doza ny 82% […]

VAOVAO TAMBATRA

Tokony tsy hihoatra ny 3 500 Ar, ny kilaon’ny lafarinina araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Varotra. Misy ny manararotra satria be loatra ny elanelan’ny vidin’ny vokarina eto an-toerana, 175 000 Ar ny iray gony 50 kilao, nefa amidy 200 000 Ar ny lafarinina avy any ivelany. Tambazotra herinaratra mampitohy […]

Lalambe migodana : hiova ny soritra eo Anjozorobe mankany Toamasina

Nahatsapa ny minisiteran’ny Asa vaventy, fa be loatra ny tanimbary sy lohasaha nototofana voakasiky ny arabe migodana hatreo Anjozorobe. Tsy mbola voafaritra kosa ny soritra miainga eo Anjozorobe hatrany Toamasina. Mizara telo ny fizotry ny asa fanamboarana ny arabe migodana (autoroute) mampitohy an’Antana­narivo sy Toamasina, mitotaly 260 km. Ampahany voalohany, […]