Tratra tany amin’ny fari-dranomasina antsoina hoe « Bance du Leven » ny sambo kenyanina iray, nanjono an-tsokosoko tany amin’ny 87 km, avaratra andrefan’i Nosy-Be, ao anatin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara, ny 8 jolay teo. Nandritra ny iraka fisafoana mahazatra nataon’ny sambo mpanara-maso Antsantsa, an’ny Foibe fanaraha-maso ny jono (CSP) no nahavitana izany. Miisa 8 […]
Toe-karena
VAOVAO TAMBATRA
Vita ny 25% ny asa amin’ny fanarenana ny vahilava Kiembe ao an-tampon-tanànan’i Toliara. Mitotaly 4 927 m ity lalana ity ary 7 m ny sakany. Enjehina ho vita amin’ny faran’ity taona 2024 ity ny asa rehetra. Mampifandray ny fokontany Akiembe, Motombe ary Andranomena ity vahilava ity. Mamatsy vola ny fanatanterahana […]
FAO sy Minae : fiaraha-miasa ho an’ ny fanjarian-tsakafo
Novolavolain’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny tsakafo (FAO), ny taona 2019, ny hetsika « Mifampitantana » (main dans la main). Niditra tao anatin’ny hetsika i Madagasikara, ny taona 2023. Natao sonia, omaly, teto Antananarivo, ny fiaraha-miasa ny tetikasa « Tohana ho an’ny fanovana ny rafitra ara-tsakafo ho an’i Madagasikara », tafiditra ao anatin’ny hetsika […]
Fambolen-kazo 2024: tratra ny 86% ny tanjona napetraka
Laharam-pahamehana amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) ny ady amin’ny trafika sy ny fiarovana ny harena voajanahary. Namintina ny zava-bita sy ny hatao manaraka ny minisitry ny Tontolo iainana, Max Andonirina Fontaine, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny nisongadina tamin’ny tatitra ny mahakasika ny ady amin’ny trafikana zava-mananaina (biby sy zava-maniry), toy […]
JIC 2024: antoka ho an’ny fampandrosoana ny kaoperativa
Mifamatotra tanteraka ny kaoperativa sy ny taninketsa indostrialy izay mpamokatra voalohany ny akora manodina ny orinasa One district one factory (ODOF). Tanjona apetraky fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), ny hanatsara ny fiainan’ny tantsaha mikambana ao anatina kaoperativa. Laharam-pahamehan’ny fanjakana rahateo ny fanavaozana ny […]




