Tontosaina etsy amin’ny gara Soarano, ny 21 hatramin’ny 23 jona, ny hetsika niomerika, “Zah@Geek 3.0”, karakarain’ ny Orange Madagascar. Maherin’ny 40 ny orinasa mandray anjara. Nanokatra ny fotoana ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Razafindramalo Tahina. « Mamaly ny filan’ny tanora malagasy ny hetsika […]
Toe-karena
Fitaterana an-tariby : 3 000Ar hatramin’ny 5 000Ar ny tapakila
Tsy nisy ny sampona! Tontosa soa aman-tsara ny andrana teknika, nitondrana olona tamin’ny teleferika. Nisantatra ny dia ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Tontosa omaly, ny andrana teknika faharoa, fitaterana an-tariby na ny teleferika. Nanomboka nitondra olona izany. Ny zotra mampitohy an’Anosy sy Soarano izay efa nandramana tamin’ny zerikanina feno rano […]
Fampandrosoana ambanivohitra : Tokantrano 708 000 nisitraka ny tetikasa Casef
Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny tetikasa “Croissance agricole et sécurisation foncière (Casef)” an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT). Mamatsy vola azy io ny Banky iraisam-pirenena, naharitra fito taona, tamina faritra 16. «Tanjona ny hampiroboroboana ny seha-piharian’ny fambolen’ny tantsaha», […]
Tohana ho an’ny PME : hiara-hiasa ny DGI sy ny FMFP
Vonona hanohana ny ny orinasa malagasy madinika sy salantsalany (PME) ny foibem-pitondrana ankapobeny ny hetra (DGI) sy ny tahiry famatsiam-bola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa (FMFP) amin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia, ny alarobia teo, tetsy Ambodivona. Tantsoroka izay hiompana tanteraka amin’ny fampanarahana ny toetrandro ireo fahalalan’ny orinasa ny lalàna sy ny paika […]
Jono : tafakatra 44% ny vola azo tamin’ny UE
«Nitombo 44% ny vola niditra tamin’ ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny jono niarahana amin’ny Vondrona eoropeanina (UE)», hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Mangarahara tanteraka ny asa sy ny vola niditra tamin’ ity sehatra ity, hoy hatrany ny fanazavany. Notohizany fa fifanaraham-piaraha-miasa faha-11 niarahana tamin’ny UE nahazoana […]




