Nodinihina teny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, ny 19 jona teo, ny volavolan-dalàna laharana 014-2024, niaraka tamin’ny teknisiana avy ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Votoatiny ny fifanarahana iraisam-pirenena ifanampian’ny sampandraharahan’ny hetra amin’ny lafiny fifanakalozam-baovao sy ara-ketra. Miisa 147 ny firenena nanao sonia ity fifanarahana ity. Tanjona amin’ilay volavolan-dalàna ny hampitomboana […]
Toe-karena
Tambajotra 2Africa: miara-miasa ny Airtel Africa sy ny ASN
Sampana orinasa mpamongady ao amin’ny Airtel Africa, amin’ny firenena 14, aty Afrika ny Airtel Telesonic. Nahomby ny fiaraha-miasany amin’ny orinasa Alcatel Submarine Networks (ASN), nametrahana ny randrantadim-pifandraisan-davitra (câble) matanjaka an-dranomasina 2Africa, mampifandray an’i Kenya, Tanzania ary Afrika Atsimo. Anisan’ny tambajotra goavana indrindra maneran-tany ity natao ity, mampifandray an’ i Afrika, […]
FMI: vinavinaina hitombo 200 Ar isaky ny litatra ny vidin-tsolika
Azon’i Madagasikara ny fampindramam-bola mitotaly 658 tapitrisa dolara avy amin’ny FMI, ao anatin’ny Fec sy ny FRD. Anisan’ny fepetra horaisin’ny fanjakana, ny fampiakarana ny vidin-tsolika hanakaiky ny tena vidiny eo amin’ny tsena iraisam- pirenena. Nankatoavin’ny filankevim-pitantanan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena, tany Washington Etazonia, ny 21 jona teo, ny famatsiam-bola 337 tapitrisa dolara […]
VAOVAO TAMBATRA
0,01% ny tahan’ny fanondrana entana maneran-tany nataon’i Madagasikara tamin’ny taona 2022. Laharana faha-133 no misy ny firenena raha toa ka eo amin’ny faha-129 isika eo amin’ny raharaha ara-barotra. Mitazona ny laharana voalohany sy faharoa amin’ny fanondranana maneran-tany kosa i Sina sy Etazonia, amin’ny taha 14,42% sy 8,28%. Matanjaka sady voalohany […]
harena an-kibon’ny tany : vahaolana ho an’ny atsimo
Mpampianatra mpikaroka amin’ny lafiny ara-bola amin’ny toekarena any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy Andriamiharivola Zavamanitra. Nanome ny heviny izy manoloana ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny volana febroary 2024 teo. Araka ny tatitra, faritra roa no mihoatra ny 90% ny tahan’ny fahantrana, ny taona 2021-2022, any Androy (95%) sy Vatovavy […]




