Toe-karena

Fiarovana ny tontolo iainana: takiana ny fanavaozam-pitantanana

 Laharam-pahamehana ho amin’ny fahombiazan’ny rariny sy ny hitsiny ara-tontolo iainana ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny atrikasa niarahan’ny teo anivon’ny mpanelanelana ara-drariny ny Repoblika, ny tetikasa Hay Tao USAID ary ny vovonam-pirenena natolotra tetsy Antaninarenina, omaly. Manoloana ny loza mihatra amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana, nanao atrikasa an-databatra boribory hamahana ny tsy […]

« Bazar de Noél 2022 » : hanangonana tahiry ho an’ny tetikasa

Ny faran’ny herinandro teo ny « Wednesday Morning Group » na WMG nanatanteraka ny « Bazar de Noel 2022 » tao amin’ny Carlton. Teny filamatra ny hoe « Mieritreritra ny hafa izahay ». Anisan’ny mpikambana ao amin’ny WMG ny banky BNI nanamafy ny fanohanany ny hafa. Nanambatra ny heriny ireo vehivavy mpikambana nanangona tahiry hanatanterahana tetikasa. Toekarena tsara […]

Fanavaozana ny fananan-tany: miisa 679.969 ny titra, 472.322 ny kara-tany vita

Isan’ny fanavaozana, nanafainganana ny fahazoan’ny Malagasy taratasin-tany ny nametrahana ny kara-tany. Na izany aza, mbola maro ny ezaka natao satria ny 20%-n’ny tany eto amintsika ihany no vita titra sy kara-tany amin’izao taona 2022 izao, taorian’izay 17 taona nanavaozana azy izay. Nanomboka ny taona 2005 ny nanavaozana ny lalàna mikasika […]

Famoronana asa: vehivavy marefo 37 nisitraka fiofanana

Miisa 37 ireo vehivavy marefo avy amin’ny faritra toa an’i Diego, Sainte Marie, Toamasina, Morondava, Mahajanga, Toliara ary Fort Dauphin hofanina amin’ny tetikasa “ Espoir 2.0”. Nampahafantarina teny Ambohijatovo izy ireo, omaly. Maharitra herinandro ny fiofanana, hatramin’ny zoma 25 novambra izao. Karakarain’ny Alternatives Madagascar, ao anatin’ny fandaharanasa “Boot Camp National […]

Atsinanana: vita ny lalana 20 km

Tanàna tsy nandehanan’ny fiarakodia hatramin’izay ny eo amin’ny kaominina Ampasimbe Onibe any Toamasina II mankany amin’ireo fokontany marobe. Vaky ny lalana, afaka mivoaka ny vokatra ary tonga any ifotony koa ny mpanangom-bokatra, indrindra amin’izao fisokafan’ny fiotazana letisia izao. Sambany ! Vita ny lalana mirefy 20 km, mampitohy ny kaominina Ampasimbe Onibe […]