« Bazar de Noél 2022 » : hanangonana tahiry ho an’ny tetikasa

Ny faran’ny herinandro teo ny « Wednesday Morning Group » na WMG nanatanteraka ny « Bazar de Noel 2022 » tao amin’ny Carlton. Teny filamatra ny hoe « Mieritreritra ny hafa izahay ». Anisan’ny mpikambana ao amin’ny WMG ny banky BNI nanamafy ny fanohanany ny hafa. Nanambatra ny heriny ireo vehivavy mpikambana nanangona tahiry hanatanterahana tetikasa. Toekarena tsara tohana ara-tsosialy
Ny hetsika natao ny faran’ny herinandro lasa teo nafahan’ireo mpitsidika aman-jatony mampitambatra ny mahasoa sy mahafinaritra. Noho ny fihetsik’izy ireo, hahazoan’ny olona anarivony mandray fanomezana ho an’ny fetin’ny Noely, sy nahazoan’ny mpikambana ao amin’ny WMG tombom-barotra hoentina hampiroboroboana hatrany ny fandraharahana ataony.
« Mifandraika amin’ny efa nataonay hatramin’izay izao ho an’ireo monina eny amin’ny toby fandraisana ireo sahirana sy kamboty », hoy Ralaimanisa Ndrina, talen’ny fifandraisana ao amin’ny banky BNI.

 

Ndrina

.

 

Partager sur: