Toe-karena

RN2: Kamiao 88 nitondra entana mihoatra

Miverina milanja daholo! Nanomboka misokatra sy miasa ny 21 mey teo, ny toeram- pandanjana fiara vaventy eny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Eny Ambo­hi­ma­laza (PK 16) ny toerana ho an’ny kamiao miainga aty Antananarivo mankany Toa­ma­sina. Eny Antsarakofafa (PK 342+500) kosa ho an’ny avy any Toamasina mankaty Antananarivo. Voafetra ny vesatry […]

Tetikasa ProPFR: karatany 80 000 sy titra 10 000 hozaraina

Mifantoka amin’ny fahazoana tany ny tetikasa ProPFR ao amin’ny GIZ. Tena kendrena amin’izany ny vehivavy sy ny vondron’olona voahilika eo amin’ny fiarahamonina any amin’ny faritra Diana sy Boeny. Mitentina 15 600 000 euros ny famatsiam-bola avy amin’ny minisitera Alemà ho an’ny fiaraha-miasa (BMZ), ho an’ny Tetikasa fampiroboroboana ny politikan’ny fananan-tany […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 40 ny orinasa vonona hiditra ao anatin’ny tetikasa Fier, hanohanana ara-bola amin’ny angovo maharitra. Tanjona ny hampiakatra avo 2 heny ny herinaratra vokarina eto amintsika, hatrany amin’ny 80 000 fanampiny. Manohana ny fanjakana manatanteraka ny Fier ny Pnud, ny Onudi ary ny UNCDF. Miisa 38 mianadahy ireo niofana mahakasika […]

Fizahantany : hampahafantarina i Nosy Be sy Antananarivo

Miara-miombon’antoka ny trano fiantranoana, Hotel Radisson Blu, sy ny Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina Anta­nana­rivo sy Nosy Be. Mano­hana azy ireo ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana sy ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Misy ny hetsika “Influencers trip” amin’ny tambajotra sosialy, hampahafantarana maneran-tany an’ireo toeram-pizahan-tany voalaza […]