Toe-karena

Semipi – Fianarantsoa : nahazo fampitaovana avy amin’ny firenena sinoa

Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika malagasy sy ny firenena sinoa. Nitondra fampitaovana ho an’ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) ao Fianarantsoa ny ambasadaoron’i Sina miasa eto amintsika, Ji Ping. Nitondra fampitaovana ho an’ny Semipi ao Fianarantsoa ny firenena sinoa ka nanolotra izany tamim-pomba ofisialy ny ambasadaoron’i Sina miasa sy monina eto […]

Famokarana angovo: voavaha ny olan’ny herinaratra ao Ambatondrazaka

Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ho famaliana ny filan’ny vahaoka eny ifotony. Omaly, tao Ampasimanolotra Brickaville indray izy no nanolotra fotodrafitrasa sy fampitaovana ho an’ny mponina, ho fanatsarana ny sosialim-bahoaka. Fanolorana milina fanamboarana «chips», fizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, fizarana zezika ho an’ny tantsaha ary […]

FIM andiany faha-18: nomena lanja ny sehatry ny toekarena

Fandraharahana. Nifarana ny alahady teo ny «Foire internationale de Madagascar» (FIM) andiany faha-18, izay natao nandritra ny hefarana, teny amin’ny Forello Expo Tanjombato. Niavaka tanteraka ity andiany ity, satria naverina sy nampiakarina teo amin’ ny lazany maneran-tany ny hetsika ara-toekarena, tamin’ ny alalan’ny fahatongavan’ireo firenena avy any ivelany toa an’i […]

Rajoelina Andry: «Hovokarina eto izay ilain’ny Malagasy»

Tontosa omaly, tao amin’ny tanànan’Ampasimanolotra Brickaville, ny fanolorana ny orinasa Bricka Chips. Ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, no nanolotra izany, nandritra ny fitsidiham-paritra nataony. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “One District One Factory”(ODOF), izao fotodrafitrasa izao. Ny ODOF izay tetikasa napetraky ny fitondram-panjakana entina hampiroboroboana ny sehatry ny fihariana sy ny famokarana […]

Fifanakalozana ara-barotra : mitady ny tsena i Kanada sy Afrika Atsimo

Mahasarika ny teratany vahiny ny vokatra malagasy. Ankehitriny, tonga eto Madagasikara sy mihaona amin’ireo mpandraharaha eto an-toerana ny delegasiona Kanadianina sy Afrikana Tatsimo, tarihin’ny Trade facilitation office (TFO) Canada. Hanitatra ny tsena amin’ny fanondranana ny vokatra malagasy mankany ivelany izy ireo. Antoka ho an’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana ny […]