Natao teto Antananarivo, omaly 25 novambra, ny loabary an-dasy mikasika ny vary nohatsaraina “vary evoka” (riz étuvé) niarahana tamin’ny vehivavy mpamokatra eto amin’ny Nosy. Fotoana nizarana traikefa, nitanisana ny olana, ary indrindra ny vahaolana, hampitomboana ny voka-bary sy ny fidiram-bolan’ny mpamokatra. Nikarakara ny fihaonana ny Africa Rice, tarihin’ny Dr. Mujawamarya […]
Toe-karena
Foaran’Atsimo Atsinanana: hiantsoana ny mpampiasa vola
Hotontosaina manomboka anio 25 novambra ka hatramin’ny 27 novambra 2022 ny foara ara-toekarena ny faritra Atsimo Atsinanana, any Farafangana. Nanazava ny atao rehetra mandritra io fotoana io ny Sekretera jeneralin’ny faritra, Atoa Rajaobelina Gérard sy Rtoa Razafitianamalala Muriel, filohan’ny EFOI* Atsimo Atsinanana. Tanjona ny fampahafantarana ny vokatra misy any amin’ […]
Fambolena: hanome 20,20 tapitrisa dolara ny BAD
Faritra 20 amin’izao no heverin’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana hampiana ny tantsaha amin’ny masomboly sy zezika. Izany no atao dia noho ny sondro-bidy amin’ireo akora fototra ireo. Ao anatin’ny fikarakarana ny minisitera amin’izao fotoana izao amin’ny fanangonana masomboly sy zezika. Tantsaha 2000 no hampiana, izay misy sokajiny avy ireo, koa […]
Japana-Madagasikara: Imasoana ny fampandrosoana
Tao anatin’ny 60 taona, mitohy ary nanamafy ny fiaraha-miombona antoka amin’ny firenena malagasy eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana, ny fanjakana Japoney araky ny masoivohony, Abe Koji tetsy Ivandry, omaly. « Maro ireo zava-bitan’ny fanjakana Japoney nandritra izay 60 taona izay », hoy ny masoivohony. Hanohy io ezaka efa nataony io izy ireo […]
Rakotondrainibe Herivelo: “Ampy tsara ny tahirin-drano ambanin’ny tany any Manombo Toliara”
Notsipihin-dRakotondrainibe Herivelo, manam-pahaizana amin’ny rano (hydrologue), fa fototry ny fiveloman’ny mponina ny fifehezana ny rano manoloana izao fiovan’ny toetr’andro izao. Nosinganiny fa ampy tsara ny tahirin-drano any amin’ny faritra niasan’ny Base Toliara, araka ny fanadihadiana nataony. Manam-pahaizana amin’ny rano Rakotondrainibe Herivelo. Aminy, ilaina ny fametrahana drafitrasa mazava amin’ny sehatry ny […]