Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Mpanjono miisa 180 mivondrona anaty fikambanana 8, nahazo karatra maha mpanarato any amin’ny kaominina Mahela, distrika Mananjary, faritra Vatovavy, ny herinandro lasa teo. Nosokafana tamin’io fotoana io koa ny fanjonoana oratsimba (langouste) sady nanentanana ny hanafoanana ny fampiasana ny haratobe. Mandroso ny asa fanorenana ny tohodrano any Ilakakabe, faritra Ihorombe. […]

Mahajanga: andro hanafoanana ny fako

Nankalazaina ny sabotsy 16 avrily teo, tany Mahajanga, ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny fako. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana (MEAH), Ravoka­tra Fidiniavo, niaraka tamin’ny olo-manankaja maro avy ao amin’ny faritra Boeny. Loha­he­vitra noraisina ny hoe « Andraikitry ny tsirairay ny fitantanana ny fakony ». […]

Benetse Toliara II: melohin’ny mponina ny fanoheran’ny olona misy mamatsy vola

Nisy antso fanangonam-bola nataon’ny vondron’olona nivoaka tany amin’ny gazety any ivelany, vao tsy ela. Manangom-bola entina hano­herana ny tetikasa goavana tokony hitondra fampandrosoana sady manakorontana ny filaminam-bahoaka any atsimon’ny Nosy izy ireo. Nivoaka ny fahanginany ny mponina any Benetse, kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II. Novakiany bantsilana ny fihetsik’ireo manohitra ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Hoferana 5 andro ny fe-potoana hanaovan’ny Fitantanana ny trosam-panjakana, fangatahana famoaham-bola, mba hisian’ny mangaraharaha, mahakasika ny tetikasa vatsian’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Voarakitra ao anatin’ny fenitra voalohany amin’ny fifanarahana ara-pamatsiam-bola izany, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Tsy azo atao intsony ny mamoaka vola mi­vantana ao amin’ny Jirama, tsy […]