Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Mpamboly miisa 137 ao Moramanga no nahazo tohana avy amin’ny orinasa Ambatovy. Avy amin’ny fikambanan’ny tantsaha am-polony izy ireo, nahazo sakamalaho 9 000 fototra sy solofon’akondro miisa 5 000 ary zezika. Tantsaha avy any amin’ny distrika Moramanga, izay tena mamokatra sakamalaho izy ireo, indrindra any Andasibe, Ambatovola ary Beforona. Nomena […]

Hatsaran’ny tolotra: nahazo ny ISO 9001 ny CT Motors

Manome ny tolotra tsara mahafa-po ny mpanjifa ny orinasa CT Motors. Noho ny fanajany ny fenitra ambony izany, azon’ity orinasa misehatra amin’ny fivarotana fiarakodia, moto, sy ny vokatra isan-tsokajiny ity, ny mari-pahalalana iraisam-pirenena ISO 9001. Hampitombo ny fitsinjovana ny filan’ny mpanjifa ny fahazoana ity mari-pahalalana ity. Hanamafisana ny fahatokisan’ny mpiasa […]

Vokatry ny rivodoza Gamane: Maika ny fanarenana ny simba

Nijery ny zava-misy, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane, tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy, ny filoha Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo. Maika ny fanarenana ny simba, indrindra ny hamerenana ny fifamoivoizana. Anisan’ny tena voa mafy vokatry ny rivodoza Gamane, ny herinandro teo, ny tapany avaratry ny […]

Ambohimangakely : fanodinana lafarinim- bary ho lasa paty

Taninketsa indostrialy manakaiky ny mponina. Nahazo ny anjarany ihany koa ny kaominina Ambohimangakely, distrika Avaradrano. Napetraka ny alarobia teo ny milina hanodina lafarinim-bary ho lasa paty. Hanodina lafarinana 400 kg isan’ora, ahazoana paty 4 t isan’andro ny ozinina. «Hampiroborobo sy hampivoatra ny faripiainan’ny tantsaha mpiompy sy mpamboly ny fisian’ny milina […]

Mampiaka-peo ny mponina : Bahanan’ny Craad-OI ny fampandrosoana any Toliara

Tsy miafina intsony! Nambaran’ny mponina any ifotony fa ao ambadik’ireo hetsika manohitra ny tetikasa goavana tokony hitondra fampandrosoana any Toliara ny fikambanana Craad-OI. Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, ny febroary 2024 teo, anisan’ny mahantra indrindra eto Madagasikara ny tapany atsimon’ny Nosy. Vahaolana ny hisarihana mpampiasa vola vahiny sy hampiroboroboana […]