Mihamaro ny vehivavy misehatra eo amin’ny tontolon’ny niomerika (Information technology – IT)). Manampy tosika azy ireo sy mampahafantatra ny tombony azo avy amin’ny fikirakirana izany ny hetsika « Women Rock in Digital ». Fahombiazana. Mahavelombolo sady mivoatra isan-taona ny hetsika karakarain’ny Avana Hub. Tafiditra amin’ny andiany fahadimy ny «Woman Rock in Digital» […]
Toe-karena
Orinasa Star: hetsika tontolo iainana sy fahasalamana tany Antsirabe
Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena ny Star, misy ny andraikitra sosialy raisiny eo amin’ny fiarahamonina (RSE). Hetsika roa no nataony tany Antsirabe, nandritra ny fetin’ny Paka, ny faran’ny herinandro teo, ny 27, 28 ary ny 30 marsa, nifanandrify tamin’ny hetsika ara-kolontsaina sy toekarena, ny Star Tour, fanao isan-taona any an-toerana. […]
Diana: hisokatra amin’ny 8 avrily ny jono horita
Natao tany Antsiranana, ny 27 marsa teo, ny fivoriana fanomanana ny fisokafan’ny jono horita any amin’ny ilany atsinanana, ao amin’ny faritra Diana sy Sava. Nanatrika tao ny komity misehatra amin’ny seha-pihariana horita any amin’ny ilany atsinanan’Antsiranana sy ny solontena any amin’ny faritra Sava. Tapaka nandritra ny fihaonana fa hisokatra amin’ny […]
Tetikasa « Gracir »: fiatrehana ny ambana amin’ny fambolena
Anisan’ny mizaka ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Hisy ny tetikasa hovolavolaina hitantanana ny ambana ara-pambolena mba hisin’ny fampandrosoana sy fahafahana miatrika azy eto amintsika (Gracir). Haroso any amin’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena aty Afrika (Badea) ny tetikasa, hikarohana famatsiam-bola. Haharitra 8 taona ny hanatanterahina ny tetikasa, ahitana […]
Famokarana menaka Anjozorobe: tafapetraka ny milina hanodina voanjo sy soja
Mitohy hatrany ny fampiroboroboana ny indostria ifotony ataon’ny fitondram-panjakana. Nisitraka ozinina hanodina voanjo sy soja ny distrikan’Anjozorobe amin’ny alalan’ny taninketsa indostrialy. Afaka manodina voanjo sy soja hatramin’ny 500 kilao isan’ora ka hamokatra menaka 300 litatra isan’ora ny ozinina. Tanjona, araka izany, ny hamatsian’ity orinasa ity menaka an’Antananarivo manontolo sy ny […]




