Hiara-hiasa ho amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD). Nisy ny dinika nifanaovan’ny roa tonta teny Akorondrano, ny alakamisy teo. Voaresaka ny fanafainganana ny fikirakirana ny antotan-taratasy ilain’ny orinasa eo […]
Toe-karena
Minisitra Andriatsitohaina Naina: “Fototry ny filaminana ny firindran’ny fananantany”
Nifarana omaly ny atrikasam-pirenena ho amin’ny fanavaozana ny lalàna momba ny tanim-panjakana azo amidy. Nisy ny toromarika nomen’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) tamin’izany. “Anisan’ny fototry ny fandriampahalemana ny filaminan’ny tontolon’ny fananantany. Hanova ny tantara isika amin’izao fanavaozana ny lalàna momba ny fananantany izao”, hoy izy. […]
Ecole 42 Antananarivo : hamolavola matihanina amin’ny informatika
Hamolavola tanora malagasy hahay informatika, indrindra fa amin’ny “codage” sy hitondra ny talentany any ivelany. Io no tanjona apetraky ny vondrona Axian amin’ny fanokafana ny Ecole 42 eto Antananarivo, fahefatra amin’ ny tambajotra 42 misy eto afrika. Tafiditra ao anatin’ny tambajotran-tsekoly malaza eo amin’ny informatika misy tao anatin’ny 10 taona […]
Fanohanana : tantsaha maro nisitraka masomboly
Mitohy hatrany ny fanohanana ataon’ny fanjakana ny tantsaha, amin’ny alalan’ny tetikasa Purpa, hanatsarana sy hampiroboroboana ny famokarana. Nahazo ny anjarany, ny herinandro teo, ireo mpamokatra miisa 432 avy ao amin’ny kaominina Maneva, ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Nisitraka masomboly « riz irrigué » milanja 3 888 kg, zezika NPK 6 […]
Fiaraha-miasa (3P) : laharam-pahamehana ny hamaha ny olan’ny angovo
Hamaha ny olan’ny angovo eto Madagasikara ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izay tafiditra ao anatin’ny andry telon’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Natao omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny fivoriana voalohany niarahan’ny mpikamban’ny komitim-pirenena fandrindrana ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (CNPPP) izay nahitana minisitra fito […]




