Niray dinika tamin’ny minisitry ny Fiompiana sy ny fambolena, Harifidy Ramilison ny masoivohon’i Afrika Atsimo, Sem Sisa Ngombane, afakomaly. Navoitra nandritra ny fihaon’ny roa tonta ny fomba entina hanatsarana ny seha-pambolena sy ny fiompiana eto an-toerana. Anisan’ ny hitondra ny anjara birikiny amin’izany ny eo anivon’ny firenena afrikanina tatsimo. Raha […]
Toe-karena
Filoha Rajoelina : « Tsy maintsy vita ny autoroute »
Maromaro ny lohahevitra noresahan’ny filoha Rajoelina nandritra ny diany tany Morarano Chrome, Ambatondrazaka, omaly. Notsipihiny fa tsy maintsy miainga amin’ny fambolena raha handresy ny fahantrana. Mila hampitomboana ny velaran-tany ho volena, ka izay no mahatonga ny fanomezana ny kara-tany. Ilaina koa ny fampiasana zezika hampiakarana ny vokatra, toy ny vary. […]
Ravinala Airports : notolorana “Airport Carbon Accreditation”
Notolorana « Airport Carbon Accreditation» (ACA), sokajy 1, ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be, tantanan’ny Ravinala Airports. Ny ACI Eoropa nametraka io fepetra ACA io ho an’ny fitantanana seranam-piaramanidina tsy hampihanaka ny “carbone”. Homena fepetra mitovy ny seranam-piaramanidina rehetra, ka ny tanjona ny hahafahana mandrefy ny “carbone” mivoaka. Natolotra ny […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo: nanome zezika 500 t ny orinasa Ambatovy
Azo hatao zezika ny Solfata amonioma (SA) avy amin’ny akora fanodinana ny nikela sy kobalta vokarin’ny orinasa Ambatovy. Sambany ny hampiasana izany, ankehitriny, entina hanatsarana sady hampiakarana ny vokatry ny tantsaha. Natao, omaly, tany Morarano Chrome, ny fanoloran’ny orinasa Ambatovy ny zezika Solfata amonioma (SA), azo avy amin’ny fanodinana ny […]
FMI : miankina amin’ny toekarena sinoa
Miankina amin’ny fiverenan’i Chine ny toekarena eran-tany, raha ny fahitan’ny FMI azy. Hiakatra 5,2 % ny toekarena sinoa amin’ity 2023 ity ary 4,5 % amin’ny taona 2024. Amin’ny ankapobeny ny fisokafan’ny toekarena sinoa dia tombontsoa ho an’ny toekarena eran-tany, hoy ny mpanadihady iray ao amin’ny FMI. Eran-tany, hitombo 2,9 % […]