Hiara-hiasa amin’ny fanjakana malagasy ny sehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara sy ho an’ny tombontsoa amin’ny fanatanterahana ny Zlecaf. Hiara-hientana ho amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Nisy ny fihaonana teo amin’ ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy […]
Toe-karena
Mahajanga: Tratra ireo hazo tsy ara-dalàna
Niparitaka tanaty tambajotra, ny 20 sy 21 marsa teo, fa nisy hazo sarobidy niainga avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Nanao fanadihadiana ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ao Boeny. Fantatra fa hazoala tsotra, « anakaraka », ireo hazo ireo, fa tsy voamboana na hazomainty. Misy itovizana amin’ny voamboana ny […]
Banky iraisam-pirenena: Nahomby ny tetikasa « Casef »
Avy amin’ny tetikasa « Casef » ny 70% ny fizarana karatany any amin’ny kaominina. Notohanany koa ny fanatsarana ny fambolena sy ny fiompiana. Nampahafantarina ny 22 marsa teo ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, mahakasika ny Tetikasa hampiakarana ny vokatry ny fambolena sy ny fiarovana ny fananantany (Casef) eto Madagasikara. Mamatsy vola azy […]
Tetikasa ODOF : hamokatra ketchup ny ao Mahitsy
Hanodina voatabia hatramin’ny 100 kg isan’ora ilay milina napetraka ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahitsy, distrika Ambohidratrimo. Tonga tany an-toerana nametraka izany, ny zoma teo, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Razafindravahy Edgard, ka nilaza fa tsy ho verivery foana intsony ny vokatra eny ifotony. Nandray sy hitantana […]
Fiovaovan’ny toetr’andro : hojerena ny tetiandrom-pambolena
Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny Foibe famantarana ny toetr’andro hanitsiana ny tetiandrom-pambolena. Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, ny Fofifa ary ny Viamo, ny sabotsy teo, tetsy Analakely. Ho jerena manokana ireo paikady […]




