Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina ny Agence première ligne, omaly. Fantatra fa mahatratra dimy ny tolotra sy hetsika hokarakarain’ny orinasa amin’ity taona 2023 ity. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana sy fampandrosoana ny toekarena sy fijery vaovao ho an’i Madagasikara ny tanjon’ny orinasa. Anisan’ny rafitra vaovao mitantana […]
Toe-karena
SPM: nizara « Vary sy Siramamy Tsinjo »
Afa-po amin’ny fivarotana «Vary Tsinjo amin’ny vidiny 650 Ar ny kilao sy Siramamy Tsinjo 3800 Ar ny kilao» ny mpanjifa manoloana ny fiakaran’ny vidin’ny entana ilaina andavanandro na ny PPN. «Tena ilaina ny vary tsinjo ary tokony hotohizina. Tokony hofenoina ny tsena rehetra… Vetivety dia lany fa tadiavin’ny olona maro», […]
Orinasa malagasy 12: mandray anjara amin’ny fampisehoana BioFach any Nuremberg
12 ny orinasa malagasy mandray anjara amin’ny fampisehoana momba ny vokatry ny fambolena « bio » amin’ny BioFach any Nuremberg, Alemaina ny 14 hatramin’ny 17 fe- broary 2023. Fampisehoana lehibe indrindra momba ny sakafo, koa nohararaotin’ireo orinasa malagasy ireo ny nampahafantra vokatra avy aty Madagasikara, harena lehibe amin’io sehatra io. […]
Haratsian-dalana : tsy afaky ny fiara intsony Fandriana-Miarinavaratra
Anisan’ny lalana tena ratsy tsy azo andehanan’ny fiara intsony ny avy eo Fandriana mankany Miarinavaratra. Hany afaka mandeha amin’ity lalana ity sisa ny moto. Nanao ezaka ihany ny fokonolona sy ny olona tsara sitra-po nandravona ny lalana tamin’ny alalan’ny angady ny volana janoary teo, saingy very maina izany, raha vao […]
Sambo vaventy: mpizahatany 1.608 tonga any Toamasina
Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fizahantany eto Toamasina, taorian’ireny krizy ara-pahasalamana Covid-19 nandritra ny roa taona ireny. Tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny alatsinainy13 febroary teo ny sambo vaventy Costa Deliziosa, nitondra mpizahatany vahiny miisa 1.608. Ahitana teratany frantsay, alemà, espanola, anglisy ary italiana, ireto farany izay maro an’isa indrindra. […]