Toe-karena

Jirama : miverina tsikelikely ny famatsiana herinaratra

Nahatonga ny tsy fisian’ny herinaratra tany amin’ny faritra maro ny fahataran’ny famatsiana solika. Efa miverina tsikelikely ny famatsiana izao, ary misy koa ny vahaolana lavitr’ezaka. Nisedra olana ny famokarana herinaratra tany amin’ny faritra sasan­tsasany tato ho ato. Anisan’ iza­ny ny tany Toamasina, Antsiranana, Tsiroanoman­didy, sy ny maro hafa. Naha­tonga ny fahatapahan’ny […]

Rano sy fidiovana : fiaraha-miasa amin’ny UE sy ny USAID

Noraisin’ny minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy Fi­diovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, omaly, ny avy ao amin’ny Vondrona Eoropea­nina (UE) sy ny USAID. Nore­sahana nandritra ny fihaonana tamin’ny masoivoho eoropeanina, Rtoa Isabelle Delatre Burger, sy ny delegasiona avy any Bruxelles niaraka taminy, ny tetikasa hiasan’ny UE eto amintsika. Toy ny PIAA […]

Vokatra vaovao: namoaka ny Racines ny Star

Mitombo isa indray ny zava-pisotro vokarin’ny Star. Nam­pa­hafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny foibe Andraharo ny  Racines. Zava-pisotro misy alikaola izy ity, saingy tsy anatin’ny sokajy labiera. “Akora misy eto an-toerana, dia ny cola sy ny arthémesia no laro ao anatiny. Avy amin’ izay faka izay rahateo ny anaran’ity […]

Seha-pihariana Lavanila: nampiditra 46 miliara Ar ao anatin’ny CNV

Tao anatin’ny iray volana, niakatra ho 46 miliara Ar ny vola voaangona ao anatin’ny kitapom-bolan’ny Filankevitra momba ny lavanila, raha toa ka 28,5miliara Ar izany teo aloha. Mahomby ny tarigetra napetraka. Tafakatra hatrany amin’ny 46 miliara Ar ny vola voaangona ao anatin’ny kitapom-bolan’ny Filankevitra nasionaly momba ny lavanila (CNV). Taratry […]

Tsy fahampian’ny tetibola: hisy ny hetra ara-tontolo iainana

Anisan’ny ady hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny fanatsarana ny tontolo iainana. Tsy ampy anefa ny ho­enti-manana sy ny tetibola hanatanterahana ireo paikady samihafa mifandraika amin’izany. Vahao­lana raisin’ny fanjakana hiarovana ny tontolo iainana sy ho an’io tsy fahampian’ny tetibola io ny hametrahana ny hetra ara-tontolo iainana. Efa nisy ny fakan-kevitra natao […]